Fomba fanamboarana « gâteau nuage au citron »
Anisan’ireo mofomamy matsiro sy be mpankafy ny « gâteau nuage ». Ny mampiavaka azy ity dia izy ilay malefaka kely ka levona mora ao am-bava rehefa mihinana azy. Mora karakaraina ary tsy dia be masonkarena be izy ity. Araho eto ary ny fanaovana « gâteau nuage au citron ».
Ireo akora ilaina raha hanao « gâteau nuage au citron »
-Atody 3 ;
-Maïzena 30g ;
-Siramamy 60g ;
-Ranona voasary makirana ½ sotrokely ;
-Yaourt grec na fromage blanc 250g.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Hafanaina amin’ny hafanana 150°C ny lafaoro.
Sarahana ny tamenak’atody sy ny tapotsiny.
Arotsaka anaty robot ny tapotsin’atody ary araraka ao ny ranona voasary makirana. Kapohana miaraka mandrapiakatra tsaran’ny tapotsin’atody ary mahazo « blancs en neige » mafy tsara, izany hoe tsy miraraka intsony ;
Afanagaro tsara ao anaty saladier ny tamenak’atody sy ny siramamy, ny maïzena ary ny fromage blanc na ny yaourt grec.
Arotsaka indroa miantoana ao anatin’ilay saladier misy tamenak’atody ny tapotsin’atody nokapohana teo. Aroharoana moramora amin’ny spatule. Tsy atao mafy loatra manjary simba ilay « blancs en neige ».
Rehefa mifangaro daholo ny paty dia arotsaka ao anaty lasitra fanaovana cake efa nosorana dibera tsara. Apetraka ao anaty « plaque de cuisson » nasiana rano tsy mandifotra azy ilay « moule » mba hanaovana « bain-marie ».
Andrahoina anaty lafaoro amin’ny hafanana 150°C mandritra ny 50 minitra.
Fanamarihana
Tsara kokoa raha « moule à cake » no hanaovana ity « gâteau nuage au citron » ity. Raha hampiasa « moule à gâteau rond » dia ilay 18cm de diamètre no ampiasaina mba hampibontsina tsara azy.