Fomba fanamboarana « mascara » amin’ny akora natoraly
Anisan’ireo karazana manjamaso fampiasa amin’ny andavanandro ny « mascara ». Izy io no ampiasaina hanome endrika matevina sy lava kokoa ny volomaso (cils). Maro dia maro ireo « mascaras » hita eny an-tsena sy mpivarotra lehibe eny. Ny ankamaroan’izy ireny moa dia misy akora simika. Ho an’ireo maniry ampiasa vokatra natoraly dia atoro eto ny fomba tsotra fanaovana « mascara » vita ao an-trano.
Ireo zavatra ilaina raha hanamboatra « mascara » vita ao an-trano
-Savoka tantely ¾ ny sotrokely ;
-Menaka voanio ½ ny sotrokely ;
-Beurre de karité ½ sotrokely ;
-Dintin’ny vahona 2 sotrokely ;
-Charbon actif gélule 1.
Ireo dingana amin’ny fanamboarana azy
Atao anaty vilany ny savoka tantely, ny menaka voanio, ny beurre de karité ary ny dintin’ny vahona.
Mampangotraka rano mafana ary hafanaina atao « bain-marie » eo ambony afo malefaka io fangaro io. Aroharoana moramora mba hifangaro tsara. Rehefa mitsonika dia bataina.
Sokafana ny "charbon actif gélule" ary arotsaka ao anatin’ilay fangaro teo. Aroharohana hifangaro tsara.
Maka fitoerana "mascara" efa lany ary diovina sy hamainina tsara. Araraka ao amin’ny alalan’ny « entonnoir » kely ilay « mascara » natoraly namboarina teo.
Fanamarihana
Azo tehirizina mandritra ny herinandro maro ity "mascara" vita ao an-trano ity. Afaka vidiana any amin’ny farmasia ny "charbon actif en gélule" ampiasaina amin’ny fanaovana azy. Azo ampiasaina atao "mascara" fa afaka atao "eyeliner" ihany koa izy ity.