• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Quotidien
Image
Fahasalamana&Sakafo

Kafe : Manimba ny saina sy ny vatana raha sotroina be loatra

13/12/2024 08:57 © Moov

Mamelombelon'aina sady toa mampazoto ery ny misotro kafe. Tsy vitsy ireo zatra mandray io zava-pisotro mafana io isa-maraina, rehefa atoandrotoandro, na rehefa avy misakafo atoandro. Tsara nefa ny manamarika fa mila lanjalanjaina tsara ny fatran'ny kafe sotroina mba tsy hitondra voka-dratsy ho an'ny fahasalamana : à consommer avec modération !

Anisan'ireo "drogue douce" ny kafe, noho izy misy ny singa antsoina hoe "caféine" izay manova ny fomba fiasan'ny atidoha. Amin'ny ankapobeny dia manafaingana ny fitempon'ny fo sady mampakatra ny tosidrà izy. Izany no mahatonga ny mpisotro azy ho toa mahazo aina, matanjaka kokoa sady misava na ny sorisory na ny torimaso. Noho izany voka-tsoa azo avy aminy izany, mazàna tiana ho sotroina foana ny kafe. Mila mitandrina nefa amin'ny fisotroana azy, satria raha be loatra ny fatrany, na sotroina matetika loatra, dia mety hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny fahasalaman'ny vatana sy ny saina.
Raha ny hevitry ny "Autorité Européenne de Sécurité des Aliments" dia tsy tokony hihoatra ny 4 kaopy (1 kaopy : 100 hatramin'ny 200 ml) no raisina isan'andro ; ary tsy sotroina isan'andro fa mielanelana. Raha mahalany kafe 1/2 litatra izany dia tokony efa ampy. Raha mahatratra iray litatra isan'andro dia efa mihoatra ny tokony ho izy ny fatrana kafe.

Fiankinandoha tanteraka

Mety ho lasa miankindoha tanteraka ny mpisotro kafe, izany hoe tsy mahazo aina na tsy mahavita na inona na inona raha tsy misotro kafe. Tsy vitan'izany ihany fa mety hangovitra rehefa tsy mahita kafe. misy ireo lasa dontodonto sy be fanadinoana raha adino ny nisotro kafe maraina ohatra.
Rehefa mihoatra ny fatra sotroina dia mety hitarika aretim-po sy olana amin'ny tosidrà izany. Mety hisy fiantraikany amin'ny torimaso ihany koa, na eo amin'ny faharetany na ny kalitaony. Tsy voatery ho hita eo no ho eo ny voka-dratsin'ny fisotroana kafe tafahoatra, fa mety hipoitra miaraka amin'ny fandrosoan'ny taona. Rehefa tsy mahazaka kafe intsony ohatra dia mety handoha na ho fanina raha vao misotro azy.

Tsy fahaizana mifehy fihetseham-po

Azo lazaina fa mampitony ny kafe. Mahatonga ny olona hanana fahavitrihana ihany koa izy. Rehefa ela ny ela, zatra mahazo ilay singa fampitoniana ny atidoha, dia tsy mandaitra intsony ny kafe. Mety hampitombo ny fatra sotroina araka izany ilay mpisotro mba hiverina indray ireo voka-tsoa efa nahazatra. Rehefa tsy mahomby firy intsony nefa ilay zava-pisotro, tsy ho azo toherina intsony ny fiantraikany amin'ny fahasalaman'ny fo sy ny saina. Mety ho lasa kizitina sy tsy azo ifandaminana ilay olona. Mety hanao "sauts d'humeur" matetika ihany koa, ary ho taitaitra sy hiasa saina lava. Izany no mitranga dia satria ny kafe no nitazona ny toeran'ny "anti-stress" fa tsy ilay olona no nianatra nifehy fihetseham-po.

Mety hampahazo tavy ratsy

Tsy mitondra kaloria mety hikitika ny lanja ny kafe. Mazàna nefa dia tsy mahazo aina ny mpisotro azy raha tsy manisy fangaro isan-karazany, ka singanina manokana amin'izany ny siramamy sy ronono. Rehefa misotro kafe eny amin'ireo toerampisakafoanana raitra aza dia mbola miampy ny fangaro : sirop, crème chantilly, sns. Raha zatra misotro kafe misy fangaro mampatavy izany dia mety hitombo ny lanja. Voa maika manome vahana ny aretim-po ny fisotroana kafe be siramamy. Tsy azo adino fa mamotika ny voa ny mamy loatra.

Inona no tokony atao ?

Araka ny efa voalaza etsy ambony, tsy tokony hihoatra ny 4 kaopy ny kafe sotroina isan'andro. Tsara raha mionona amin'ny kafe iray na roa kaopy ihany.
-Azo atao tsara ny miovaova zava-pisotro mafana, mba tsy hiankindoha amin'ny kafe. Samy mahasoa avokoa ny dite, ronono, kakao, ka azo sotroina tsara rehefa tsy misy kafe. Ovaovaina zany ny "boisson" sotroina isa-maraina ;
-Raha marary an-doha lava na fanimpanina nefa nisotro kafe toy ny mahazatra dia tsara raha manantona mpitsabo. Raha misy olana amin'ny fo na amin'ny tosidrà dia mety tsy hahazo hisotro kafe intsony ;
-Mila ajanona tanteraka ny kafe ho an'ny vehivavy bevohoka sy mampinono.

Lire la suite

Articles Similaires