• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marie Claire
Image
DIY&Kolo-endrika&bika

Fomba fanamboarana « démaquillant solide » ao an-trano

12/12/2024 16:29 © Moov.Mg

Isan’ireo fikolokoloana ny hodi-tava atao isan’andro tsy azo idovirana ny « démaquillage ». Isan-kariva no mila atao izy io hanesorana ny « maquillage » amin’ny tarehy ary koa hanalana ireo loto, hatsembohana sy hoditra maty mety manentsina ny mason-koditra. Ny « démaquillant » no vokatra ampiasana amin’izany. Ho an’ireo maniry ampiasa vokatra natoraly dia atoro eto ny fanaovana « démaquillant solide » vita amin’ny menaka voanio.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « démaquillant solide » vita amin’ny menaka voanio

-Menaka voanio 15ml ;
-Beurre de cacao blanc 35g ;
-Menaka kinana 1ml.

Ireo dingana amin’ny fanaovana azy

Atao anaty lovia jobo ny beurre de cacao 35g. Arotsaka ao ny menala voanio. Tandremana tsara mba ho menaka voanio tsy mitapoka no ampiasaina.
Arotsaka manarak’izay ny menaka kinana. Raha manana « seringue » kely dia io no ampiasaina hamarana ilay menaka kinana 1ml. Afangaro amin’ny fouet mba hifangaro tsara daholo ireo akora.
Mampangotraka rano amin’ny vilany ary apetraka atao « bain-marie » ao ilay fangaro anaty lovia jobo teo. Rehefa mafana sy lasa mitsonika ilay fangaro dia tsinjaraina ao anaty lasitra na « moule à savon ».
Rehefa mangatsiaka dia atsofoka anaty « congélateur » mandritra ny adiny 1 ora. Rehefa mivaingana tsara dia avoaka tao anatin’ny lasitra. Azo ampiasaina avy hatrany.

Fampiasana ny « démaquillant solide »

Mora ampiasaina ity « démaquillant solide » vita amin’ny menaka voanio natoro teto ity. Lemana amin’ny rano matimaty ny tarehy ary kosehana mora eo ilay « démaquillant solide ». Rehefa mifampikasoka amin’ny rano ity farany dia lasa mivadika « lait démaquillant ». Somary horina kely amin’ny tanana avy eo kobanina amin’ny rano mangatsiaka sy « coton disque ». Ho afaka avokoa ny « maquillage » sy ireo loto niandrona teo amin’ny tarehy nandritry ny tontolo andro.

Lire la suite

Articles Similaires