• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Kika
Image
Madagasikara

Trano gasy : fotoana fanamboarana ny trano efa tranainy izao ririnina izao

04/05/2023 00:00 © Moov.Mg

Antoka iray hisorohana ny loza vokatry ny firodanan’ny trano fonenana ny fanamafisana azy. Ireo mipetraka amin’ireny tranon-drazana na trano gasy ireny moa no tena mila mailo hatrany. Fotoana hijerena ny fanamboarana tokony hatao izao vaninandro ririnina izao. Inona avy ary ireo dingana tokony atao hanamafisana ny trano gasy entina hisorohana ny loza ?

Mila miomana ara-bola rehefa hanamboatra trano gasy efa tranainy

Mahazana ireo trano gasy sy tranon-drazana dia efa naharitra aman-taonany maro. Rariny loatra noho izany raha efa antitra ny ankabeazan’ireo singa mandrafitra azy ireny. Tsy tokony angatak’andro lava noho izany amin’ny fanatanterahana ny fanamboarana mila atao. Mila fiomanana ara-bola kosa anefa izany tetik’asa izany. Raha tsy ampy ny vola am-pelatanana dia mety tsy ho vita ara-dalàna ny fanamboarana tokony atao. Tsara raha maka mpanao trano matihanina hijery ireo zavatra mila amboarina na avaozina. Izy ihany koa avy eo ny manome ireo vinavina ara-bola omanina hahavitana ny asa.

Maka mpanao trano hanatanteraka ny asa fanamboarana

Tsy mahazo manao kahidy rehefa hanamboatra na hanavao trano gasy tranainy. Misy tokoa mantsy ireo te hitsitsy ny vola laniana ka izy ireo ihany no manamboatra ireo faritra na fitaovana tsy azo antoka amin’ny tranony. Vahaolana tsy maharitra ihany anefa izany satria mety ho mora simba ny zavatra nataony ka vao maika hiteraka firodanan’ny trano. Tsara kokoa raha maka mpanao trano matihanina hanao ny asa fanamboarana. Izy no manana ny traikefa sy ny fitaovana azo antoka amin’ny fanatanterahana ny asa. Aleo mandany vola manakarama azy ireny hisorohana ny loza sy ny fandaniana mihoa-papana aterak’izany.

Dinihina miaraka ireo singa amin’ny trano gasy mila fanamboarana maika

Raha sanatria ka kelikely ny vola voahangona am-pelatanana dia mila jerena miaraka amin’ny mpanao trano ireo faritra sy singa maika mila amboarina. Anisan’izany ny rindrina, ny fototra, ny tafo ary ny varavarana sy ny varavarankely. Ireo singa telo ireo matetika no miteraka ny firodanan’ny trano efa tranainy. Orana sy rivotra mafimafy dia mety ampirodana ny trano raha ireo singa ireo no tsy tombana na efa mihasimba. Mila jerena ihany koa ireo fitaovana rehetra mikasika ny fantson-drano. Raha sanatria misy tuyaux vaky anaty rindrina na ao ambany gorodona dia mety hitera-doza ihany koa ny fiandronan’ny rano.

Rehefa inona ny trano gasy no mila arodana tanteraka ?

Rehefa tena tranainy loatra sy tsy ampy fikarakarana ny trano gasy dia lasa betsaka ireo zavatra antitra mila fanamboarana. Amin’izay fotoana izay dia mety hidangana be ny saran’ny fanamboarana ary mety aharitra ela ny fanatanterahana ny asa. Mety kokoa noho izany raha arodana tanteraka ny trano mba ahafahana manangana iray vaovao manara-penitra sy tsy misy atahorana. Mila mitandrina ihany koa ireo monina amin’ny trano gasy tranainy amin’ny toerana avo na toerana atahorana hisy fihotsahan’ny tany. Mety hitera-doza ny fijanonana amin’ireny toerana tsy azo antoka ireny rehefa tonga fotoan’ny fahavaratra sy ny rivodoza.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo