• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Frénéthique
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba natoraly anadiovana tarehy : ireo akora manadio tarehy

28/02/2023 08:08 © Moov.Mg

Tsy voatery mampiasa vokatra vahiny sy lafo vidy vao afaka manadio tarehy. Maro ireo fomba natoraly mahomby sy tsy manimba hoditra afaka ampiasaina amin’izany : siramamy, tantely sy voasary makirana, tanimanga…

Manadio tarehy amin’ny alalan’ny « gommage » amin’ny siramamy

Dingana iray lehibe amin’ny fanadiovana tarehy ny fanaovana « gommage ». Ilaina izany mba analana ireo sela maty eo amin’ny hodi-tava. Mandaitra amin’io dingana io ny siramamy noho izy potika manify ary mora levona ka tsy mandratra ny hoditra. Alaina ny siramamy tapaky ny sotrokely ary afangaro amin’ny huile d’amande douce indroa mitete. Apetraka eo amin’ny hodi-tava ary kosehina moramora manao boribory anala ireo sela maty sy loto eo amin’ny tarehy. Atao mandritra ny 5 minitra eo ho eo vao kobanina amin’ny rano matimaty.

Masque amin’ny tanimanga : manadio tarehy misy tasy

Akora natoraly manadio tarehy efa be mpampiasa hatry ny ela ny tanimanga. Manala ny loto sy ny tasy amin’ny hodi-tava izy io. Anisan’ny mahasarika amin’ny tanimanga ihany koa ilay izy mampalama hoditra rehefa mahavatra mampiasa azy. Afangaroina miaraka ny tanimanga roa sotrokely, huile d’olive iray sotrokely ary rano roa sotro fihinanana. Ahosotra eo amin’ny tarehy io fangaro io ary avela hilona eo mandritra ny 15 minitra. Rehefa vita izay dia kobanina tsara amin’ny rano matimaty.

Tantely sy voasary makirana : manadio tarehy sy manatsara hodi-tava

Manampy betsaka amin’ny fikolokolona ny hodi-tava ny tantely. Mitahiry vitamines sy minéraux maro izy ka miaro ny hoditra ho tanora lalandava. Ny voasary makirana kosa dia mitahiry acide citrique izay manadio ny tarehy, manafotsy ny hoditra ary manala ireo loto miangona amin’ny hodi-tava. Alaina ny tantely iray sotro fihinanana ary afangaro amin’ny ranona voasary makirana iray sotrokely. Ahosotra eo amin’ny tarehy ary avela ipetraka 15 minitra. Sasana amin’ny rano matimaty avy eo kobanina amin’ny rano mangatsiaka mba ampikatona ny mason-koditra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo