• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Youpomm
Image
Sexualité & Mariage

Ny lehilahy mampirafy, fa tsy mahazaka ampirafesina ....

28/02/2023 06:47 © Moov.Mg

Tsy mitsaha-mitombo ireo lehilahy mamono tena rehefa misy olana ara-tokatrano, indrindra raha fantany fa mampirafy ny vadiny. Misy moa no mahavita mamono ny vadiny noho ny tsy fahazakana ny fisarahana. Rehefa lehilahy no mampirafy dia deraina ho "bogosy ka mahazaka sipa", fa rehefa vehivavy dia "mpivaro-tena sy tsy fampiseho masoandro" ... Voamarika ankehitriny fa tsy matahotra fisaraham-panambadiana intsony ny vehivavy, indrindra moa fa ireo manana asa mahavelona.

Ny lehilahy, malemy saina hoe ?

Raha dinihina ireo tatitra ataon'ny manam-pahefana, maro kokoa ireo lehilahy mamoy fo noho ny vehivavy. Vao tsy ela akory no nisy raim-pianakaviana nanapitra ny ainy noho ny fampirafesan'ny vadiny azy.
Maro ireo lehilahy "mpanao azy" no tena tsy mahalefitra raha mitady fitiavana na fiainana any an-kafa mihitsy aza ny vadiny. Eo indrindra no mampandini-tena hoe tsy maty manota ve sa kapain-tsy hita fery tokoa ve ny lehilahy. Mazàna, raha mahatratra ny vadiny mampirafy ny vehivavy dia mandefitra, satria mitsinjo ny hoavin'ny ankizy. Tsy adino ilay fitenenana hoe "tsy lehilahy raha tsy mampirafy". Misy ihany koa ireo tsy te hisara-panambadiana na samy manana ny fiainany any ivelany izao aza mba hialana ny fahafaham-baraka eo amin'ny fiaraha-monina.
Amin'izao vanim-potoana izao, efa misy tokoa ireo vehivavy no mametraka taratasy fangatahana fisaraham-panambadiana. Ny ankamaroan'ny lehilahy mantsy dia mamerin-keloka foana na dia efa mangataka fifonana izao aza.
Raha ny lalàna manan-kery eto Madagasikara, mampigadra ny fiarahana amin'olon-kafa ankoatra ny vady, indrindra moa fa raha tratra amin'ireny tranon-dopy ireny (chambre de passe). Misy kosa ireo foko eto Madagasikara izay manaiky ny lehilahy maro vady. Ho an'izy ireo dia tsy misoratra ara-panjakana ny mpivady fa miray trano fotsiny rehefa vita fomba.

Rendrarendra sa fitiavan-tena ?

Efa miha-lefy ny fomba malagasy mikasika ny vady atolotra. Raha ny eto an-drenivohitra manokana, afaka misafidy malalaka izay ho vadiny ny lehilahy iray. Ny vehivavy ihany koa dia tsy voatery hanambady olona tsy tiany intsony. Araka izany, azo lazaina fa miorina amin'ny fitiavana ny tokantrano maro. Tsy azo lavina kosa nefa fa misy ireo miditra amin'ny fanambadiana noho ny harenan'ny ankilany, ny tsy fahazakana irery ary ny fandrosoan'ny taona.
Na eo aza izany dia samy manisy sonia ny bokim-pianakaviana tsy an-tery na ny lahy na ny vavy. Ny mampalahelo nefa, maro ireo rava tokantrano noho ny fampirafesan'ny andaniny na ny ankilany. Azo lazaina fa rendrarendra ny fampirafesana, indrindra moa raha tsy misy olana manokana ao anatin'ny tokantrano. Matetika manosika ny iray hijery any an-kafa ny tsy fahampian'ny vola, ny fikarakarana ary indrindra ny firaisana ara-nofo. Tsy adino ny tsy fiatovian'ny fijery sy ny tanjona. Voakasika amin'izany avokoa ny lehilahy sy ny vehivavy.
Maha-sahiran-tsaina tokoa ny fampirafesana satria voatery tapahina ny asa, afenina ny finday, bangaina ny karana, miafina etsy eroa sady mety ho reraka tanteraka vao tafody. Tsy mahagaga intsony avy eo ny mampikorontana ny tokantrano satria kizitina, tsy manam-potoana sady tsy te hierika ny vadiny intsony ny lehilahy.

Hanohy sa hiala ?

Sarotra ho an'ny lehilahy maro ny miala amin'ny fampirafesana. Maro ireo tsy sahy milaza amin'ny vadiny ireo fihetsika na fanao mikasika ny firaisana ara-nofo. Tsara ny mampahatsiahy fa tena tokony hiray loha ny mpivady raha tiana haharitra ny fiarahana. Tsy tokony hifanafina ireo zavatra mahafinaritra na mety hampandroso amin'ny lafiny rehetra. Toy ny revirevy mandeha ho azy moa ny fampirafesana, ary voalatsa mihitsy ireo lehilahy tsy roboka amin'izany. Raha ny vehivavy kosa no tratra mampirafy, matetika izy ireo no voatsara avy hatrany ho "ratsy fitondran-tena", eny fa na tsy miraharaha azy intsony aza ny vadiny.
Rehefa tena tsy mahita vahaolana moa dia tsara aza raha tena mifampitsotra. Raha minia manohy fiarahana tsy mamokatra mantsy dia mety hifanampoizina ny farany. Azo atao ny mangata-tso-drano raha tena tsy te hanaja ny fanekena intsony, mba tsy hihitaran'ny voka-dratsin'ny fampirafesana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo