• Cours de change
  • 4682.6 AR
  • |
  • $4356.37 AR
Copyright Image : © Pixabay
Image
Fahasalamana&Sakafo

Aide-mémoire : Ireo sakafo manampy amin’ny fitadidiana

15/02/2023 11:33 © Moov.Mg

Tsy voatery ny olona efa nahazo taona no verivery tadidy. Mety ho voakasik’izany na ny ankizy na ny tanora. Afaka atao tsara ny mikolokolo ny fitadidiana amin’ny alalan’ny sakafo. Inona tokoa ary izany ireo sakafo manatsara ny fitadidiana ?

Ireo sakafo be otrikaina

Maro amin’ireo otrikaina ilain’ny atidoha mba hampiasa haingana azy no avy amin’ny sakafo. Voalohany amin’izany ny Omega 3 izay hita ao amin’ny sardine, saumon, zavokà, menaka oliva, atody, voatavo maina. Faharoa ny vy na « fer » izay misy betsaka ao amin’ny taovankena, hena mena, voamaina, legioma maitso. Fahatelo kosa ny antioxidant izay hita ao amin’ny legioma maitso misy raviny, voarohy, frezy.

Ireo sakafo be Vitamines

Mamampy betsaka amin’ny fitadidiana ny fihinana sakafo be vitamines. Anisan’ny vitamines ilain’ny atidoha ny Vitamine B1 izay hita ao amin’ny henakisoa, atody, tsaramaso, voanjo. Ahitana Vitamines B6 kosa ao anatin’ny atikena, hena akoho, ovy, thon, tsiasisa, voanjo. Ny Vitamines B12 dia hita ao amin’ireo vokatra azo avy amin’ny ronono, vorona, atody, hena.

Sakafo misy rano betsaka

Ilaina betsaka amin’ny fiasan’ny atidoha sy hanatsarana ny fitadidiana ny fisotroana rano tsara mandritra ny tontolo andro. Tsy tokony ho latsaky ny 1,5 litatra ny fatra sotroina isan’andro. Mila mihinana ireo sakafo misy rano betsaka ihany koa. Anisan’izany ny voankazo toy ny voasary, pastèque, paiso, mananasy, voatabia… Ilain’ny atidoha, indrindra ny an’ny ankizy, ny fisotroana ronono isan’andro mba hananany saina matsilo sy fitadidiana tsara.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo