• Cours de change
  • 4681.81 AR
  • |
  • $4417.52 AR
Copyright Image : © Doctissimo.Jpeg
Image
Fahasalamana&Sakafo

Volo mihintsana : Ireo vahaolana natoraly mahomby

03/01/2023 18:22 © Moov.Mg

Anisan'ny olana mateti-pitranga eo amin'ny vehivavy ny fihintsanan'ny volo, indrindra moa fa ho an'ny reny mampinono. Misy ihany koa ireo lehilahy mihitsam-bolo ka mila ho sola. Araho ary ireto torohevitra mahasoa ireto mba tsy hanara-tanana na fihogo intsony ny volonao.

Ajanony ny "brushing" sy ny "fer"

Hafa ihany ny vehivavy mahakarakara vatana, na ho an'ireo mijanona ao an-tokatrano na ireo mamonjy toeram-piasana. Raha mihitsana ny volonao, tsara raha ajanona ny fampiasana ireny zavatra mamay ireny. Mampiasa "masque" alohan'ny anakobanana volo rehefa manasa loha. Rehefa maina ny volo, azonao atao tsara ny mampiasa diloilo coco na "huile coiffante" mba hampipetrapetraka azy tsara.

Manandrama "masque" vita amin'ny tongolo

Ny tongolo dia anisan'ny akora natoraly mahatsara volo. Lomy ao anaty "huile d'olive" ny tongolo voatoto miisa telo. Somary hafanao kely amin'ny alalan'ny "bain-marie". Hosory amin'ny volo izany ka ajanony eo mandritra ny telopolo minitra. Tsara raha asiana sarindoha ny volo. Aorian'izay, kobano ny volo. Mampiasà "shampoing" natokana ho an'ny volo maina, mihitsana sy vakivaky. Azonao atao tsara ihany koa ny mampiasa savony nosy.

Alamino ny saina

Fantaro fa ny rarin-tsaina (stress) dia anisan'ny mahatonga ny fihintsanan'ny volo. Raha mirotoroto loatra ianao isan'andro, ezaho alamina ny fandaharam-potoananao. Alamino tsara ireo asa aman-draharaha iandraiketanao mba tsy hampikoropaka anao amin'ny ora mahamaika. Manokana fotoana kely akana aina, isotroana rano sy ihainoana mozika malefaka. Raha misedra olana ianao, tano hiabo ny fisainanao.

Mihinàna sakafo misy "Magnésium"

Mety ahatonga fihintsanan'ny volo ny tsy fahampiana "Magnésium". Mazotoa mihinana hazan-dranomasina, sokolà, akondro, tsaramaso, sns. Miezaha ihany koa misotro rano, izay eo amin'ny 1,5 litatra isan'andro ho an'ny olon-dehibe.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo