• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © On Lit, On Joue, Maman?
Image
Asa & Fianarana

Fanabeazana : ireo vokatsoa azon’ny zaza tia mamaky boky

17/05/2023 09:52 © Moov.Mg

Tsikaritra ankehitriny fa lasa variana amin’ny finday sy ny tablette ny ankizy ka manjary tsy liana intsony amin’ny famakiana boky. Fomba fanabeazana tena mahomby amin’ny fikolokoloana ny sain’izy ireo anefa izany. Andeha nge ho resahana ireo vokatsoa azon’ny zaza tia mamaky boky.

Zaza tia mamaky boky : mora mivoatra amin’ny fianarana fiteny

Anisan’ny vokatsoa lehibe azon’ny zaza tia mamaky boky ny fivoarana haingana amin’ny fianarana fiteny. Rehefa mamaky boky tokoa mantsy izy dia mahita teny vaovao izay mampitombo ny voambolana hainy. Raha mbola tena kely ny zaza dia ny ray aman-dreny na ny mpampianatra miaraka mamaky boky aminy no manazava azy ireo teny tsy fantany. Rehefa lehibe kosa izy dia ho afaka mahazo ny hevitry ny teny mbola tsy fahitany amin’ny alalan’ireo teny manodidina. Ankoatra ny fahaizana voambolana dia manampy betsaka amin’ny fahafehezana ny fitsipi-pitenenana sy ny tsipelina ihany koa ny famakiana boky.

Miha mitombo fahalalana hatrany ny zaza tia mamaky boky

Mampitombo fahalalana mandrakariva ny zaza sy ny ankizy ny fahazarana mamaky boky. Ankoatra ny fifehezana ny fiteny dia manampy betsaka amin’ny fampahalalana lafin-javatra maro amin’ny fiainana ny famakiana boky. Maro karazana moa ny boky sahaza ny ankizy. Ao ireo misy tantara, ao ireo misy fampianarana… Mahita sy mahafantatra zava-baovao hatrany ny zaza tia mamaky boky. Anjaran’ny ray aman-dreny sy ny mpanabe kosa nefa ny misafidy ireo boky sahaza ny taonan’ny ankizy.

Tsy miankin-doha amin’ny finday sy ny aterneto

Manampy ny zaza sy ny ankizy tsy hiankin-doha amin’ny filalaovana finday sy amin’ny aterneto ny famakiana boky. Azo atao fialamboly tsara tokoa mantsy izany fomba fanao izany. Rehefa liana amin’ny zavatra vakiany ny ankizy dia mahavita mandany fotoana ela eo. Ny ankamaroan’ny boky moa tsy voavaky indray mandeha fa mila atao tsikelikely. Tsy hanam-potoana laniana amin’ny filalaovana finday sy ireo fitaovana misy écran noho izany ny zaza tia mamaky boky. Vao vita ny boky iray dia mitady hafa mahaliana indray.

Mampitony ny rarin-tsaina ny famakiana boky

Anisan’ny fialamboly mampitony ny rarin-tsaina tokoa ny famakiana boky. Fahafinaretana ho an’ny zaza tia mamaky boky tokoa ny manao izany rehefa izy mba tsy mianatra iny. Ho anireo ankizy sarotra mahita tory dia afaka manampy azy ny famakiana boky alohan’ny atoriana. Milamina ny saina ary adino vetivety ireo zavatra mampiasa loha rehefa eo am-pamakiana boky.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo