• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Rado Ramaroson
Image
Vaovao

Vontovorona : Niditra tao amin’ny « campus universitaire » ny Zandary

23/03/2023 18:11 © Moov.Mg

Mitohy hatrany ny olana eo amin’ireo mpianatry ny Ecole Supérieure Polytechnique d’Antananarivo sy ny fitondram-panjakana.

Ny talata teo dia nitokona indray ireo mpianatra, na dia efa nilatsaka ary ny didy nanafoanana ny fampiakarana CODIS ireo mpianatra efatra nantsoin’ny fiadidiana ny Oniversiten’Antananarivo. Nitohy anio indray noho izany ny fifanenjehana teo amin’ireo mpianatra sy ireo mpitandro ny filaminana.

Niditra ao amin’ny faritry ny sekoly ambony ny mpitandro ny filaminana

Manoloana ny fiverenan’ny fitokonana ataon’ireo mpianatra eny anivon’ny oniversiten’i Vontovorona dia tonga teny an-toerana, nanomboka omaly indray ihany koa ireo mpitandro ny filaminana. Nohon’ny fahatezeran’ireo mpianatra dia niha mafy ny fitokonana nataon’izy ireo. Manoloana izany dia nanapa-kevitra ny hiditra ao amin’ny campus ireo zandary raha toa ka mandrara izany ny « franchise universitaire ».
Nisy ny fampiantsiana teo amin’ireo mpianatra sy ireo zandary. Rehefa nihanafana ny raharaha dia tonga tamin’ny fisamborana mpianatra sy fandatsahana baomba mandatsa-dranomaso izany.

Mitaky vahaolana azo tsapain-tànana

Raha tsiahivina dia noho ny tsy fisian’ny vahaolana azo tsapain-tànana no mampitroatra ireo mpianatra. Takian’izy ireo noho izany ny handrosoana vahaolana tena mahomby manoloana ny fahasahiranana izay sedrain’izy ireo eny an-toerana. Izao fiverenan’ny fitokonana izao dia mampiseho ny tsy fifankazahoana misy eo amin’ireo samy mpianatra sy ny filohan’ny mpianatra.

Nanambara moa ireo mpianatra fa tsy nitondra vahaolana araka ny nandrasan’izy ireo ny fihaonana teo amin’ny ministra Assoumacou sy ireo solotenan’ny mpianatra, koa izany no mahatonga izao fitokonana izao indray. Andrasana indray noho izany ny fitadiavana marimaritra iraisana eo amin’ny roa tonta mba hitsaharan’izao savorovoro izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo