• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Localicieux
Image
Sexualité & Mariage

Ilaina ve ny manao « provisions » ao an-tokantrano ?

24/02/2023 09:11 © Moov.Mg

Efa maro ny tokantrano misafidy ny manao « provisions ». Izany hoe, vidiana indray mandeha ny sakafo ilaina mandritra ny herinandro na tapa-bolana. Na mikarama isam-bolana na mandray vola isan’andro, azo atao tsara ny manao « provisions » rehefa hay ny manokana vola ho an’izany.

Manampy amin’ny fitantanam-bola ao an-trano

Matetika rehefa vidiana isan’andro ny sakafo dia mihitatra ny fandaniana atao eny an-tsena eny. Manampy betsaka amin’ny fitantanam-bola sy ny fitsitsiana ao an-trano ny fanaovana « provisions ». Manao teti-bola mifanaraka ny vola am-pelatanana ny mpivady. Avy eo manao lisitry ny sakafo ilaina mandritry ny herinandro. Tsy atao mihoatra ny teti-bola voatokana amin’izany ny tsena atao ary tsy mividy sakafo hafa intsony mandrapa-tapitry ny herinandro. Hita ho mihena tokoa ny fandaniana rehefa mahavita manaraka tsara io lamina io.

Manena ny vesatr’asa amin’ny andavanandro

Anisan’ny raharaha tena mandany fotoana ny fandehanana miantsena isanandro. Manampy trotraka izany ny fieritreretana ny laoka atao. Ho an’ny renim-pianakaviana efa maro andraikitra sahanina, manjary miteraka rarintsaina hafa izany. Mampihena ny vesatr’asa amin’ny andavanandro noho izany ny fanaovana « provisions ». Afaka anaovana raharaha hafa na angalana aina ny fotoana tokony laniana amin’ny fandehanana miantsena isanandro.

Ny lafy ratsin’ny fanaovana « provisions »

Misy lafy ratsiny ihany koa anefa ny fanaovana « provisions ». Mila manana vata fampangatsiahana ny fanatanterahana azy. Ny sakafo toy ny hena sy trondro ireny mantsy mora simba ary tsy afaka tehirizina ivelan’ny vatafampangatsiahana. Sakana iray mety tsy ahafanana manao « provisions » ihany koa ny tsy fananana vola mivaingana. Maro ireo olona miasa tena tsy manana tahiry na lelavola misimisy. Tsy adino ihany koa ny filàn’ny vatana sakafo tsy mialon’andro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo