• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Pixabay
Image
Sexualité & Mariage

Tantaram-pitiavana : Efa voasoratra any ho any ... Efa tanteraka eto an-tany ...

06/02/2023 06:05 © Moov.Mg

Hitako ihany lahy ilay silam-panahiko ... Nofihiniko ka norohako tamin'ny foko manontolo, eny fa na dia taolana mifono hoditra aza sisa no nanoloana ahy ... Aleoko lavitra miaina ao anaty fahasahiranana miaraka amin'ilay hany tokana tena tia ahy, toy izay migalabona amin'ny tranobe tsy misy fo mitempo.

Nosarahin'ny hetraketraky ny tany

Mpiara-mianatra teny amin'ny anjerimanontolo izahay. Nandritra ny telo taona no nifanjohy teny Ankatso teny. Ny tena nanahirana ny saiko sy nanindrona ny foko dia ny tsy fankasitrahan'ireo ray aman-dreniko ny sakaizako. Mba niezaka nanontany an'i neny ihany aho saingy tsy nahazo valiny mahafa-po.
Indray andro, ny harivan'ny nandraisako mari-pahaizana, nampiantso ahy i dada. Nolazainy ahy fa ny zanaky ny mpiara-miombon'antoka aminy no ho lasa vadiko. Izany hono mantsy no antoka tsara indrindra itohizan'ny fiaraha-miasan'izy ireo. Gina tsy nahateny aho. Nisafotofoto ny foko, ka ny hany tonga tao an-dohako dia ny hoe "tena sahin'ny raiko niteraka ahy ny mivaro-janaka mba ahombiazany amin'ny asany". Tsy afaka nisafoaka aho satria hentitra dia hentitra ny tenin'i dada ...
Niezaka aho nitalaho tamin'ireo ray aman-dreniko, saingy "mahasoa ahy hono ny hanambady tovovavy tsara tarehy sady manan-katao." Mbola nampian'i dada aza hoe "efa voakarakara ny antontan-taratasy amin'ny fisoratam-panambadianareo".
Na dia tsy sitrapoko aza, voatery nisaraka tamin'ny olon-tiako aho ka nanaja ireo nahitako masoandro. Ranomaso sy alahelo lalina no nifanaovako veloma tamin'ilay olon-tiako. Tonga hatrany amin'ny ray aman-dreniny mantsy ny fandrahonan'i dada.
Tanteraka tokoa ny fanambadina, nakotrokotroka ny fety, vory lanona ireo nasaina. Saingy na tsiky tsiravina aza tsy hita teny amin'ny tavako.
Na dia tsara tarehy tokoa aza ravehivavy, na dia lapa soa tokoa aza ny trano fonenanay, na dia mitaingina fiara raitra aza aho, herintaona sy enim-bolana ihany no naharetako ilay tokantrano noterena ahoriko. Nangata-tso-drano tamin'ilay vadiko natolotra aho, sady nampilaza an'i dada sy neny. Soa fa teo I zoky nanohana ahy. Nosoniaviko ny taratasy manala ahy tsy ho isan'ny mpandova intsony : lasa aho.

Nampiombonin'ny famindrampon'ny lanitra

Faly aho, nitsambikimbikina, satria nilaza tamiko i zoky fa hitany ny misy ilay tian'ny fanahiko. Mpiara-mianatra teny amin'ny anjerimanontolo no sendra nifanena tamin'i zoky.
Kinanjo, kivy aho, nitanondrika, raha nilazana fa marary hatry ny ela ilay tovovavy sahiko nilaozana. Nokikisan'ny aretim-po, ny fahasisoam-panantenana sy ny fahantrana ilay tovovavy tso-po, nanana fijery mihabo sy nanakarem-pitiavana fahiny. Niova ho farofy sy mahia ilay tovovavy feno hery sy botrabotra taona vitsy lasa izay.
Tsy nahakivy ahy izany satria hery ho ahy ny fihaonanay indray. Na dia te hitolona azy fatratra aza aho, naleoko nampandeferina izany noho ny vatany mbola osa loatra. Nahoroko ny enta-keliny ka nentiko niakatra taty an-drenivohitra ilay malalako, ilay nandrasako hatry ny ela. Herintaona sy enim-bolana teo ho eo no naharetan'ny fitsaboana. Efa manomboka mahazo aina sy miha-matanjaka izy ankehitriny.
Nandritra izay fotoana lavalava izay vao tsapako fa tsy ny firaisana ara-nofo ihany no fanehoam-pitiavana. Fahafinaretana tsy misy toa izany ny manohana sy mikarakara ilay olontiana ...
Niova aho, izaho ilay mpisetrasetra tamin'ny tovovavy fahiny no tonga malefaka sy manaja vady. Hay tsy maintsy mitady any an-kafa ny lehilahy rehefa tsy afaka manome fahafam-po azy ny vadiny. Ny fitiavana no tady mampifamatotra olon-droa samy matotra, ka manaraka ho azy ny sisa.
Herintaona sy enim-bolana taty aoriana, nisy nandona ny varavarana. Taitra aho satria i zoky irery no mba havana mpitsidika anay mbola mandondona, nefa toa hoe namita iraka izy. Novohaiko ny varavarana : hay dada sy neny. Asa tokoa izay nampiova hevitra azy ireo. I dada ilay mafy fo no namihina an-dranomaso ahy sy ny vady aman-janako. Nandohalika nifona izy sady talanjona nahita ilay tokantrano tsotrakelinay. Rehefa nohadihadiako i zoky dia toa hoe ilay rafozako teo aloha no fositra tsy nampandroso ny orinasan'i dada. Nitombo avo telo heny hono mantsy ny vola miditra vao tapaka ny fiaraha-miasa. Lakalaka tokoa ny fiainana, ka na eo aza ny sedra maro, aleo mihaino ny fidoboky ny fo. Tsy nankahala ireo ray aman-dreniko aho satria lalana nataon'Andriamanitra hampiombona sy hampivoatra ny fianakavianay daholo ireny tantara ireny ...

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo