Vous êtes ici

22-10-2021 par Midi Madagasikara

Lehilahy iray aloha no nanampatra ny filan-dratsy tamin’ity tovovavy iray, nandritra ny alina iray manontolo. Ny ampitson’io dia nomeny ny namany dimy lahy indray izany tovovavy izany, ho viravirain’izy ireo.


Ankona tanteraka, voa ara-batana sy ara-tsaina ilay lasibatra ary voatery nentina mpitsabo mihitsy. Tranga niseho tao amin’ny fokontany iray tao amin’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antanifotsy, ny volana aogositra lasa teo. Roa volana taty aoriana, noho ny angom-baovao sy fikarohana ireo nahavanon-doza dia voasambotry ny zandary ilay lehilahy voalohany, ary ny iray tamin’ireo dimy lahy nanolana ity vehivavy ity ny voalohandohan’ny herinandro teo, tany an-toerana hatrany. Ny zava-nisy. Ny 23 aogositra lasa teo, raha nifanao fotoana niaraka tamin’ny namany tamin’io toerana io ity tovovavy 19 taona, izay tsy nifankahita akory tamin’izany namany izany, dia nadalain’ny lehilahy iray 42 taona, izay voalaza fa nifoka rongony. Nosemporin’ity farany tamin’ny setroka rongony ilay tovovavy ka tsy nahatsiaro tena raha tsy tany an-tranony. Nanamparany ny filàny mandra-marain’ny andro tao izany tovovavy izany.

 

Nalefany nody ihany anefa nony maraina ary notambazany volabe raha tsy hitory azy. Ny antoandron’io no voalaza fa hanomezany izany vola izany ka nasainy tonga tany aminy indray ilay tovovavy. Akory anefa fa efa bandy dimilahy be izao no niandry azy, nitondra azy an-keriny tanaty ala, ary nanomboka nifandimby taminy, niaraka tamin’ny herisetra isan-karazany. « Simba, naratra ary very saina tanteraka ilay lasibatra taorian’io ka ny fianakaviany no naka azy tany. Voatery nampidirina hôpitaly mihitsy aza ». Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana avy ao amin’ny tobim-paritra Antanifotsy taorian’ny raharaha, ary nanomboka tamin’ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Ny talata teo no tra-tehaka, teo am-pivarotana rongony ilay lehilahy voalohany tompon’antoka, ary mbola nahatratrarana fonosan-drongony tany aminy. Toraka izany ihany koa ny lehilahy iray, isan’ireo dimy lahy nanolana azy fanindroany, voasambotra omaly, niaraka tamin’ny fonosan-drongony am-polony maro. Nentina notazomina natao famotorana avy hatrany moa ireto farany, nogiazana kosa ireo zava-mahadomelina tratra. Mbola mitohy foana kosa ny famotorana, ahafantarana ireo efa-dahy ambiny, raha ny vaovao hatrany.

 

m.L