• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fianarantsoa : Fankalazana ny faha-100 taonan'ny SEMIPI

25/05/2023 21:28 © Moov.Mg

Androany 25 may 2023 no nanamarihana ny faha-100 taonan'ny Sekoly Miaramilam-pirenena na SEMIPI ao Fianarantsoa. Nanatrika ny lanonana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny vadiny.

Feno 100 taona ny Sekoly Miaramilam-Pirenena, izay taninketsan’ny Foloalindahy malagasy sy namolavola mpitarika maro eto amin’ny Firenena.
Nanamarika izany fankalazana izany ny fanaovana batemy ireo andiany 2022-2023 izay ahitana mpianatra miisa 84 mitondra ny anarana "Faha zato taonan'ny Sekoly Miaramilam-Pirenena". Ny batemy dia fialàna amin'ny fiainana sivily mba ho tonga tena miaramila kely, ary ireo tanora ireo dia volavolaina anaty soatoavina fototra toy ny herim-po (courage) fanarahana ny fitsipi-pifehezana (discipline) sy ny tsy fivadihana amin'ny teny nomena (loyauté).
" Ny fampianarana izay azonareo teto dia miavaka amin'ny lafiny akademika, teknika sy etika hahafahanareo manompo ny firenena. Tsarovy hatrany fa ianareo no mpiaro ny lova sy ny lazan'ity sekoly ity ary ireo soatoavina notezaina anareo teto no entinareo amin'ny lalam-piainananereo" hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina raha niarahaba sy nitso-drano ireo mpianatra eto anivon'ny SEMIPI.
Nanamarika ny fankalazana ny faha-100 taonan'ny SEMIPI notanterahina androany ihany koa ny seho "synchronisation japonaise" sy taekwondo nataon'ireo mpianatra. Nisy ihany koa ny fitokanana ny chapelle militaire Beravina Fianarantsoa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo