• Cours de change
  • 4681.81 AR
  • |
  • $4417.52 AR
Copyright Image : © Andry Rajoelina
Image
Vaovao

Voin-kava-mahatratra tao Marovoay : Nahazo lelavola, sakafo sy masomboly ary fitaovam-pamokarana ireo tantsaha

02/02/2023 20:56 © Moov.Mg

Nitsidika ny kaominina ambanivohitr'i Marovoay anio ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nojereny manohana ireo traboina sy very fananana noho ny fandalovan'ny rivodoza CHENESO.

Tontosa anio 2 febroary ny fitsidihan'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina an'i Marovoay. "Sompitr’i Madagasikara i Marovoay, ary laharam-pahamehana ho an’ny Fitondram-panjakana ny hanarenana ireo tanimbary maherin'ny 1200Ha dibo-drano" hoy ny Filoham-pirenena, nitondra fanampiana ireo tokantrano traboina ao an-toerana ihany koa. Ankoatra ireo masomboly 20kg/Ha dia nomena fitaovam-pamokarana isan-karazany ireo tantsaha ao an-toerana.

Nohamafisin'ny Filoham-pirenena fa hitodika bebe kokoa amin'ny sehatra sosialy ny hetsika ataon’ny Fitondram-panjakana ary noho izany indindra no nanomezany fanampiana manokana ireo fikambanam-behivavy tao Marovoay. Eo ihany koa ny fizarana moto ho an'ireo ben'ny tanàna hahafahan'izy ireo mamita iraka any amin'ireo fari-piadidiany izay saro-dalana. Hisy ihany koa hoy hatrany ny Filoha ny fizarana lelavola 120.000 ariary isaky ny tokantrano izay vokatry ny fiaraha-miasa amin'ireo mpiara-miombon'antoka.

Efa ao Marovoay ny "caravane médicale" izay ahitana ny "clinique mobile" manao fizahana, manome fitsaboana sy tolotra ara-pahasalamana isan-karazany maimaim-poana ho an'ny vahoaka (échographie, radiographie, fitiliana diabète, ....). Ankoatra izay dia miisa 770 ireo olona nozaraina koba aina, sakafo masaka sy mafana izay nifarimbonana niaraka tamin'ny Fikambanana Fitia, izay tarihin'ny vadin'ny Filoham-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo