• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Jirama
Image
Vaovao

Jiro : Transformateurs roa no may tetsy Anosisoa

31/01/2023 11:34 © Moov.Mg

Io maraina io dia transformateurs roa no may tetsy Anosisoa. Nandray andraikitra avy hatrany ny ekipan'ny Jirama Ambodimita.

Nitrangana fahamaizana transformateur roa teny Anosisoa io maraina io, tokony tamin’ny 7 ora sy 20 minitra. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny ekipa teknika eo anivon’ny Jirama Ambodimita nijery ny zava-misy, vao naheno izany fahamaizana izany, ka nanomboka nizaha ny olana tamin’ny 7 ora 40 minitra. Nanampy azy ireo tamin’izany ny teo anivon’ny mpamonjy voina ka vetivety dia voafehy ny afo.

Raha ny marimarina kokoa dia mifameno ireto transformateurs roa ireto. Ny iray dia mahatratra 160 kVA izay efa tena feno be na « chargé ». Nanapak’evitra ary ny teo anivon’ny jirama fa ho ampiana tosika ity farany ka napetraka ny transformateur faharoa izay mitondra 100 kVA. Ity transformateur faharoa ity ary no nisehon’izao fahamaizana izao ka nitarika ny fahamaizana sy ny fahasimban’ilay transormateur voaloha ihany koa, hoy hatrany ny tatitry ny eo anivon’ny Jirama.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo