• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Présidence De La République De Madagascar
Image
Vaovao

Fambolena : Nihaona tamin'ireo hahazo fiofanana any Zimbabwe ny filoha

30/01/2023 10:24 © Moov.Mg

Nihaona tamin'ireo 30 mianadahy, tantsaha, teknisiana sy enjeniera ary mpampiofana, izay hihazo an'i Zimbabwe hiofana manokana momba ny fambolena miaraka amin'ny Foundation for Farming ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny 29 janoary 2023.

Ny Fondation for Farming moa dia fantatra amin'ny fampiasana ny teknikam-pambolena PFUMVUDZA izay hanatsara ny voka-pambolen'ireo tantsaha mba hahaleo tena ara-tsakafo ary indrindra teknika izay miahy ny tontolo iainana. Tantsaha miisa 5 tapitrisa manerana an'i Afrika no efa mampiasa io teknika io ary izy 30 mianadahy ireo no hizara ny fiofanana azon'izy ireo indray amin'ireo tantsaha manerana an'i Madagasikara.

Ny fanomezana fiofanana tahaka izao ho an'ireo tantsaha dia mifanindran-dalana amin'ny fandaharanasan'ny Fitondram-panjakana mba hanohanana ny sehatry ny fambolena sy fiompiana mba hahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara. Fandaharanasa izay nahazoana fanohanana avy amin'ireo mpiara-miombon'antoka nandritra ny dian'ny Filoha Andry Rajoelina tany Dakar vao andro vitsy lasa izay. Nitsodrano azy 30 mianadahy ireto moa ny Filoha mba haleo halasana amin'izany fiofana izany ka hitondra ny anjara birikiny izy ireo amin'ny fanatsarana ny taha-pamokarana sy ny fahatratrarana ny fanambin'ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto amin'ny firenena.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo