• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Antanifotsy : Voafandrika ny mpamaky trano

30/01/2023 09:09 © Midi Madagasikara

Sarona avokoa ireo entana halatra marobe ilaina amin’ny fanamafisam-peo sy ny zavamaneno.

Ny zandary no nanao vela-pandrika an’ireo olon-dratsy ary dia nisy fahombiazany izany tany Antanifotsy.

Ankoatra ireo entana halatra dia mbola hita niaraka tamin’ilay olona nosamborina koa ny ody gasy marobe fampiasan’izy ireo rehefa manatontosa asaratsy. Efa nidoboka am-ponja ilay lehilahy ary mbola misy namany hafa karohina koa. Efa mandeha ny fitadiavana ireo jiolahy ireo izay nampanantenain’ny zandary fa tsy maintsy ho azon’izy ireo raha tsy hoe hisitri-belona any am-pasana. Ireo entana halatra kosa dia efa voaverina tamin’ny tompony avokoa.

D.R

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo