• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Fanabeazam-Pirenena
Image
Vaovao

Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena : Tontosa ny Atrikasa voalohany ho an'ny taona 2023

27/01/2023 09:12 © Moov.Mg

Atrikasa mikasika ny famoahana ny vokatry ny fanadihadiana amin’ny lafiny fanabeazana eto Madagasikara no nanokafana ny taona 2023

Tao amin’ny Novotel Ivandry no notontosaina ny atrikasa mikasika ny famoahana ny vokatry ny fanadihadina amin'ny lafiny fanabeazana fampianarana eto Madagasikara natao ny taona 2016 sy ny taona 2021, izay notanterahan’ny banky iraisam-pirenena ny taona 2016 sy 2021.

"Araka ny vokatry ny fanadihadina natao dia tsapa ary hita mivaingana ireo ezaka natao" hoy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena SAHONDRARIMALALA Marie Michelle.

Ezaka izay mifandraika amin'ny fanomezana ireo sekoly mifanaraka amin'ny fenitra, ny fampitomboana ny vola tantsoroka ho an'ny sekoly, ny fisitrahana ny fampisakafoana an-tsekoly, ny fitaovana enti-mianatra sy hoenti-mampianatra...
Maro ihany koa ny ezaka sy asa mbola ho tanterahana satria tamin'ny alalan'ny fanadihadina natao no nahazoana ireo vahaolana sy lalantsaina hanohizana ireo laharam-pahamehana efa natomboka hatrizay.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo