• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Ministère_De_L'Enseignement_Supérieur_Et_De_La_Recherche_Scientifique
Image
Vaovao

Bloc 15 – campus Vontovorona : Hatomboka anio ny asa fanarenana

25/01/2023 11:19 © Moov.Mg

Manomboka ny asa fanarenana ny Bloc 15 eny amin'ny campus Vontovorona

Taorian’ny famaizan’ny Bloc 15 tao amin’ny campus Vontovorona, izay niseho ny 2 janoary lasa teo, dia tapaka teo anivon’ny ministeran’ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa fa ho atomboka anio 25 janoary ny fanarenana izany. Efa nidina teny an-toerana moa ny ministra ASSOUMACOU Elia Béatrice, herin'andro lasa izay, ka tamin’izany no nanolorany vatsy ho an’ireo mpianatra traboina.

Asa fanarenana

Tamin’izany fandalovany izany ihany koa no nametrahan ny lamina rehetra mikasika ny fanarenana ity Bloc 15 ity, izay niharan’ny fahamaizana. Nisy ihany koa ny dinika niaraka tamin’ireo tekinisianina momba ny fanatanterahana izany asa izany. « Tsy maintsy miroso amin’ny fanarenana mba ho fitsinjovana ireo traboina isika » hoy ny ministra. Misy araka izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpiasan’ny ministera sy ny CROUA mba hanamorana ny fanatrarana ny tanjona iraisana dia ny fanampiana ireo mpianatra tra-boina.

Asa fanorenana

Ankoatra ny asa fanarenana ity bloc 15 ity, nanambara ny ministra fa efa miroso amin’ny asa fanorenana trano vaovao ihany koa izy ireo. Afaka hisitraka moa izany ireo mpianatra ao Vontovorona rehefa vita ny asa rehetra. Nambarany ihany koa fa hahazaka mpianatra hatrany amin’ny 300 any ity trano efa andalam-panorenana ity.
Tsy very anjara ihany koa anefa ireo mpianatra eny anivon’ny Oniversite an’Ankatso. Taorian’ny fitsanganan’ny bloc amical 1 dia hiroso amin’ny asa fanorenana vaovao indray ny ministera. Ho atomboka tsy ho ela araka izany ny asa fanorenana ny bloc amical 2 eny Ankatso II, izay efa naterina teny an-toerana nanomboka omaly ny fitaovana ilaina amin’izany fanorenana izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo