• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Fanarenana ny takaitra navelan’i Cheneso : Mifanome tanana amin’ny vahoaka ny Tafika

25/01/2023 08:03 © Midi Madagasikara

Akaiky ny vahoaka ! Na dia azo lazaina fa efa mihalefy tanteraka ny herin’ilay rivo-doza Cheneso, nandravarava tany amin’iny tapany Avaratry ny Nosy iny dia mbola mitondra ora-mikija hatrany ny andian-drahona entiny, izay miteraka olana hafa indray, toy ny fiakaran’ny rano sy fanapahan-dalana, ankoatr’ireo takaitra efa navelany.

Teo anatrehan’ny zava-manjo ny vahoaka dia tsy mitaza-potsiny ny Tafika Malagasy fa mirotsaka manampy ireo tra-boina. Toy ny efa fanaon’izy ireo isaky ny fiavian’ny rivo-doza na ny rano be, hoy ny fampitam-baovao azo. Izany rahateo moa dia tafiditra ao anatin’ny « action civilo-militaire » ataon’ireo miaramila, entina manakaiky kokoa hatrany ny vahoaka.

« Vokatry ny orana mikija izay mahatonga fiakaran’ny rano dia maro ireo traboina any amin’ireo faritra maro toa ny any Boeny, Maroantsetra ary ny tapany avaratry ny Nosy. Arak’izany dia niroso tamin’ny famindrana ireo traboina amin’ireo faritra dobo-drano ao Mahajanga ireo miaramila sy ireo mpitandro filaminana ao an-toerana. Tokantrano maro no nafindra amin’ireo toerana natokana handraisana azy ireo nanomboka omaly 22 janoary 2023 ary mpitandro filaminana maro no miantoka ny fiambenana izany. Nifandrimbona amin’ireo mponina ao an-toerana amin’ny fanalàna sy fanadiovana ireo vato nentin’ny onja mahery eo amin’ny sisin-dranomasina ihany koa izy ireo hamerenana haingana ny fifamoivozana amin’ny laoniny » araka ny fampitam-baovao azo.

Ireo miaramila avy ao amin’ny Farim-piarovana Ankarafantsika moa no nifanome tanana tamin’ireo mponina, tamin’ny famindrana ireo tra-boina tamin’ireo toerana azo antoka ary manentana hatrany ihany koa ireo mponina izay mipetraka amin’ny faritra iva mba hiala amin’izay toerana izany. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia fianakaviana nahatratra teo amin’ny 437 teo no izay nafindra toerana izay. Ankoatry ny famindràna ireo mponina dia miara-misalahy amin’ireo miaramila avy ao amin’ny Ecole Nationale d’Enseignement Maritime de Mahajanga izy ireo, amin’ny fanalàna ireo tsentsina amin’ny lakan-drano, hanafaingana ny fidinan’ny rano. Izy ireo ihany koa no miantoka, raha ny voalaza hatrany, ny fiambenana ireo fananan’ireo tra-boina izay tavela any an-tanana, hisorohana ny amin’ny mety ho fanararaotana.

« Raha ny avy any amin’ny faritra Avaratry ny Nosy kosa dia mifandrimbona amin’ny vahoaka ireo miaramila avy ao amin’ny Farim-piarovana Ankarana amin’ny fanarenana ireo simba vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso, izay tarihin’ny Jeneraly Montrouge Fitzerald. Anatin’izany ny fanarenana ny trano fonenan’ireo mponina sy fanalàna ireo hazo nidaboka noho ny rivo-mahery. Maro ireo ampahan-dalana tapaka vokatry ny fiakaran’ny rano sy ny fianjeran’ny hazo ka nanala izany ireo miaramila any Sambava » raha ny vaovao hatrany. Nitodika ary nahatsiaro manokana ireo tra-boina vokatr’ity andro ratsy moa ny Ministry ny Fiarovam-pirenena sy ireo mpiara-miasa aminy, ary nampahery azy ireo amin’izao voina izao.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo