• Cours de change
  • 4682.6 AR
  • |
  • $4356.37 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Nahavita namitaka banky izy roa

25/01/2023 07:58 © Midi Madagasikara

Nanomboka ny 20 janoary teo no nivoaka ny filazàna fikarohana izay navoakan’ny sampana misahana ny heloka bevava eo anivon’ny zandarimaria.

Lahy sy vavy ireo tadiavina ka ny voalohany dia Raherinirina Andry Gabriel ary ny faharoa kosa dia Andriamady Hariniaina Christèle. Mitovy ny heloka hanenjehana azy roa dia ny fisolokiana sy fampiasana hosoka. “Raha fintinina, izy ireo dia nilaza fa manana orinasa iray mpanondrana lavanila ka mitady mpiara miasa afaka hampiasa vola ao aminy.

Resy lahatra tamin’ny resany ny mpiasan’ny banky iray ka nanome vola 40 tapitrisa ariary. Rehefa tena noporofoina tany Toamasina anefa dia tsy nisy akory ilay orinasa na dia nazahoany Nif sy Stat. Nanomboka ny taona 2022 dia nilefa ary tsy hita intsony ireo olona roa ireo”, raha araka ny fampitam-baovaon’ny zandary izay misahana ny fanadihadiana. Tsy dia fahita matetika ihany ny tranga toa izao satria ny banky dia anisan’ny malina amin’ny olona na orinasa izay ampindraminy vola. Manana departemanta manokana miandraikitra an’izany izy ireny ary matetika dia mipetrapetraka tsara avokoa ny antoka izay vao miditra amin’ny fampindràmana ny banky.

Mbola vitan’ireto olona ireto ihany anefa ny namitaka ny banky ary indrindra koa mipetraka tsara ao anaty lisitry ny orinasa misy satria sady manana Nif no nisy Stat ny orinasan’izy ireo. Mazava hoazy fa mety misy firaisana tsikombakomba na koa fanaovana kolikoly koa ao anatin’ity raharaha ity. Tsy ho vitan’izy roa ireo samirery mantsy ny nametraka izay fomba famitahana rehetra izay sy ny nahazoana taratasy ara-panjakana momba ny orinasany izay orinasa nentina nanaovana fisolokiana. Mety hiitatra amin’izay arak’izany ny fanadihadian’ny zandary saingy ny fikarohana azy roa ireto aloha no himasoany voalohany.

D.R

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo