• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Andro ratsy : Tapaka ny RNS 25, eo anelanelan’i Vohiparara sy Ranomafana

24/01/2023 11:41 © Moov.Mg

Tapaka ny fifamoivoizana amin’iny làlam-pirenena faha 25 iny (RNS 25) ankehitriny. Eo anelanelan’ny Vohiparara sy Ranomafana raha ny marimarina kokoa, araka ny tatitra nataon’ny ministeran’ny Asa Vaventy anio maraina.

Ahitana fihotsahan’ny tany ao Tsararano, Kaominina Ranomafana, distrikan’Ifanadiana ka miteraka izao fahatapahan’ny làlana izao. Izany dia vokatry ny rotsakorana be loatra nohon’ny fandalovan’ny rivo-doza 2023 Cheneso.

Tsy io ampahan-dàlana io irery ihany anefa no ahitana fahatapahana ankehitriny, raha ny tatitra farany navoakan’ny BNGRC omaly tamin’ny 8 ora alina. Ahitana izany fahatapahana izany ihany koa ohatra ny làlana mampitohy an’Anosibe an’Ala sy Moramanga, ny làlana eo anelanelan’ny Antongomena Bevary sy ny Fokontany Bemokotra, ny làlana eo anelanelan’ny Vavatenina sy Miarinarivo, ny fahasimban’ny tetezana iray amin’iny RN 4 iny sy ny maro hafa ihany koa.

Efa miroso miandalana amin’ny fanarenana ny fahasimbana nateraky ny loza ankehitriny ny teknisianina eo anivon’ny ministera, mba hiverenan’ny fifamoivoizana tsikelikely amin’ny laoniny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo