• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Mamanpourlavie.Com
Image
Madagasikara

Moov Olombanona : Zaro handray anjara amin'ny raharaha ao an-trano ny ankizy amin'izao fialan-tsasatra izao

04/01/2023 05:35 © Moov.Mg

Zary tsy mandray ravindena ny ankamaroan'ny ankizy sy tanora Malagasy. Noho ny rotorotom-piainana, raha ny eto an-drenivohitra, manana mpanampy an-trano ny ankabeazan'ny tokantrano. Mety fandrika ho an'ny zazalahy sy zazavavy nefa izany, indrindra raha tena miandry tolorana sakafo sy lamba madio hatrany izy ireo. Amin'izao fialan-tsasatra izao, ampianaro ny ankizy sy ny tanora handray andraikitra, mba tsy ho sahirana rehefa rahatrizay hipetra-drery na hanambady.

Efitrano madio sy milamina

Ny zava-dehibe voalohany dia ny fampianarana hanana efitrano madio sy milamina. Fadio manomboka izao ny manadio na mampanadio mpanampy ny efitranon'ny zanakao.
Manomboka amin'ny faha-10 taonany ny ankizy dia efa tokony mahay mamafa trano, manadio fanaka ary mamalona lamba. Rehefa tia fahadiovana sy filaminama ny zanakao, tsy voatery hanery azy intsony ianao hikolokolo ny efitranony.
Mazava ho azy nefa, isika ray aman-dreny no fitaratra : Raha mikorontana ambony ambany ny efitranontsika isan'andro, inona no azontsika ananarana ny zanatsika ?

Raharaha an-dakozia

Ankoatra ny fitandrovana ny fahadiovana sy ny filaminana, ilaina tokoa ny fahaizana mahandro sakafo, na ho an'ny lahy na ho an'ny vavy. Ampianaro mikarakara laoka tsotsotra fanao mahazatra ny zanakao. Tsy adino ny fandrahoana vary, ny fanamboarana lasary sy rony. Tsara kokoa aza raha mahafehy ireo karazana mofomamy (gâteau, cake, flan, ... ) sy mofo masira (pizza, quiche, nem, etc). Tsy adino ny fandrehetana afo, ny fanasana lovia sy vilany, ny fiantsenana, sns.
Mahasoa ny zanatsika izany satria afaka miomana hahaleo tena sahady izy. Hahafantatra izy manomboka izao ny amin'ny fotoana lany ao an-dakozia.
Ny tena mahaliana ? Ho hitanao fa rehefa mankafy manampy anao ny zanakao dia hanantona anao bebe kokoa ny fony. Tsy ho sahirana firy ianao hangataka aminy tsy hijanona manoloana ny fahitalavitra sy ny finday.
_Raha manan-janaka roa ianao na mihoatra, manokana vola ividianana tsikonina ho azy ireo : fatana kely, vilany kely, lovia sy sotro kely, sns. Tena hankafy hahandro sakafo tokoa izy ireo, ary mety hamorona nahandro hafakely mihitsy aza. _

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo