• Cours de change
  • 4681.81 AR
  • |
  • $4417.52 AR
Copyright Image : © Analamanga
Image
Vaovao

Itasy : Miroso amin’ny fanamboarana « pavé » ny voafonja

24/03/2023 09:19 © Midi Madagasikara

Tetikasa hafakely ary tsara alain-tahaka no misy ao amin’ny faritra Itasy ao. Tsy inona izany fa ny fampiasana ireo voafonja hamokatra sy hampandray anjara azy ireo ho amin’ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny fanamboarana vokatra ho amin’ny tombontsoa iombonana.

Araka ny fantatra mantsy dia saika manamboatra « pavé » izy ireo. « Pavé » izay akora ilaina ho amin’ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa ilain’ny faritra. « Voafonja ao Miarinarivo izy ireo ary taorian’ny fampiofanana nomena azy ireo dia afaka manamboatra « pavé». Efa mahatratra hatramin’ny 515 no vita hatreto », hoy ny fanazavana azo. Ny tanjona amin’ity tetikasa ity dia mba hanomezana fahaiza-manao azy ireo alohan’ny hiverenany indray eny anivon’ny fiaraha-monina, hampandray anjara azy ireo eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana ary indrindra hanamorana ny fahitana akora ho amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa.

Marihina fa fiaraha-miasan’ny faritra amin’ny alalan’ny Goverinoran’Itasy, Atoa Maherizo Andriamanana, ny fitaleavam-paritry ny fampianarana teknika ao an-toerana, ny kaomisarian’ny pôlisy, ny ben’ny tanàna ary ny fandraharahana ny fonja no nahatanterahana izany. Ny faritra kosa no mandray an-tanana ny fanatsarana ny sakafo omena azy ireo mandritra ny fanaovana ny asa ary nomena akanjo ihany koa izy ireo, avy amin’ny Fikambanana Angela. « Adidin’ny tsirairay ny mifanome tanana amin’ny asa fampandrosoana », hoy ny Goverinora.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo