• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Cirgn Antananarivo
Image
Vaovao

Halatr'omby tao Miarinarivo : Dahalo roa maty voatifitra

01/05/2024 19:33 © Moov

Mitohy hatrany ny ezaka ataon'ireo mpitandro filaminana amin'ny fiarovana ny mponina sy ny fananany manerana an'i Madagasikara. Araka ny tatitry ny zandary dia nisy dahalo roa maty voatifitra noho ny raharaha halatr'omby, tamin'ny toerana roa samihafa tao Miarinarivo Itasy.

Ambatoasana Miarinarivo

Nitrangana halatr'omby tao Ambatoasana, fokontany Ankidona Nord, distrikan'i Miarinarivo, ny 18 aprily lasa teo. Ny 22 aprily no nisamboran'ny zandary ireo olona 4 noahiahina tamin'io raharaha io. Rehefa natao ny fanadihadihana dia anaty fikambanan-dahalo izy ireo ary mbola manana namana maromaro.
Ny 28 aprily kosa, voasambotra ihany koa ny telo hafa, izay fantatra fa atidoha nikotrika sy mpiray tsikombakomba. Nanohitra ny fisamborana azy anefa ny dahalo iray ka voatery nitifitra ny zandary.

Manazary Miarinarivo

Nisy ihany koa ny halatr'omby tao amin'ny Fokontany Ambohimanambola, kaominina Manazary. Dahalo roalahy efa nahazo omby tany am-bala no hitan'ny fokonolona mpiambina. Raikitra ny fanarahandia ka azon'ny fokonolona izy rolahy. Nantsoina ny zandary haka azy ireo. Nandritra izany anefa dia tafatsoaka ny iraikalahy saingy efa fantatra ny momba azy.
Rehefa tonga ny zandary dia mbola nitady lalana hiporitsaka koa ny faharoa ka na dia efa nampitandremana aza dia tsy nety nijanona. Nipoaka indray ny basy ka namoy ny ainy ilay olon-dratsy.

Mitohy hatrany ny fikarohana ireo dahalo mbola miafina, ary atolotra ny fitsarana kosa ireo voasambotra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo