• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Météo
Image
Vaovao

Toetry ny andro : Tsy hahakasika an’i Madagasikara ilay andro ratsy

01/05/2024 19:25 © Moov

Nitombo hery ilay tangoron-drahona ao Avaratry ny Lakandranon’i Mozambika ka lasa Andro ratsy na Dépression Tropicale . Raha mbola mitombo hery izy dia ho lasa Rivodoza ka hitondra ny anarana hoe Hidaya.

Androany 1 may tamin’ny 03 ora tolak’andro teo dia tany amin’ny manodidina ny 585 kilometratra avaratra andrefan’Antsiranana no foiben’ilay andro ratsy. Efa manomboka hita taratra ihany koa ny tsiokan’ny talio izay mamafy hamandoana amin’ity andro ratsy ity. Mafana ny ranomasina satria eo ho eo amin’ny 30° C.
55 km/ora ny rivotra entiny, arahina tafiotra 75 km/ora. Saika mahenika ny tapany avaratry ny Nosy Comores sy Mayotte ny rahom-baratra miaraka aminy.

Tsy hahakasika an’i Madagasikara

Tsy hisy fiantraikany amin’ny toetrandro sady tsy hikasika an’i Madagasikara io andro ratsy io. Na izany aza, hitombo ny rotsak’orana. Ny faritra afovoany atsinanan’ny Nosy no voakasik’izany. Mbola mitoetra araka izany ny fampitandremana ny amin’ny fahabetsahan’ny orana any amin’ny faritra Ambatosoa, Atsinanana ary Analanjirofo.
Vinavinaina hitombo hery io andro ratsy io ka hivadika rivodoza, izao alin’ny 1 may izao. Amin’ny Sabotsy ho avy izao no mety hipaka amin’ny morontsirak’i Tanzanie io andro ratsy io.

Vinavinan’ny toetry ny andro ny 2 may

Ny maraina :Hanorana malefaka hatrany ny andro any Ambatosoa, Analanjirofo, Atsinanana, Atsimo Atsinanana sy Taolagnaro. Hiendrika tandrifindrahona izany any Sava, Atsimo Atsinanana sy Taolagnaro. Handrahona amin’ny ankapobeny ny andro any Alaotra Mangoro sy ny morontsirik’Avaratra Andrefan’ny Nosy. Ho maina any an-kafa izay mety hialohavana zavona vao maraina ny afovoan-tany sy ny atitany afovoany sy Atsimo-Atsinanan’ny Nosy.

-Ny Tolakandro : Tombanana hitoetra hatrany ny orana malefaka any Ambatosoa, Analanjirofo sy Toamasina. Mety hanorana tandrifindrahona mitsitokotoko any Melaky, Sofia, Diana ny atitanin’i Sava sy ny toerana sasany amin’ny afovoan-tany. Handrahona amin’ny ankapobeny ny andro any Boeny sy Betsiboka. Tombanana ho maina kosa izany any an-kafa.

Maripana ny 2 may

Antananarivo 17/26
Antsirabe 18/27
Fianarantsoa 15/27
Morondava 24/34
Mananjary 21/29
Farafangana 24/27
Nosy-Be 25/31
Toamasina 21/28
Mahajanga 27/31
Taolagnaro 22/27
Sainte-Marie 24/27
Toliara 24/35
Antsiranana 23/28
Antalaha 24/29
Maintirano 24/34
Maevatanana 25/33
Ambositra 17/27
Ranohira 18/31

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo