• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Andro iraisam-pirenena ho an’ny asa : Andrasana ny fandanian’ny parlemantera ny « code de travail »

01/05/2024 10:11 © Moov.Mg

Marihina androany ny faha-138 taona nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny asa. Fotoana nampahatsiahivan’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny Asam-panjakana, ireo asa vita izany, ho fanatsarana ny tontolon’ny asa eto Madagasikara.

Karama farany ambany

Isan’ny nisongadina, tao anatin’ny lahatenin’ny minisitry ny Asa, ny fampananan’asa ary ny Asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana, ny nandaniana ny didim-panjakana laharana 2024-794, izay mamaritra ny karama farany ambany 2024 ho 262.680 Ar ho an’ny sokajin’asa M1 amin’ny sehatra ankapobeny. 266.500 Ar ho an’ny sehatry ny fambolena. Fiakarana 10% eo ho eo izany, raha mitaha amin’ny karama farany ambany teo aloha, ary avy amin’ny marimaritra iraisana, taorian’ny fifampiresahana teo amin’ny vondron’ny mpampiasa sy ny fivondronan’ny sendikan’ny mpiasa eto Madagasikara. Amin’izay maha-marimaritra iraisana azy izay dia vokatry ny fifanarahana ihany izany, fa raha ny filàna dia mbola ambony noho io no tokony ho karama farany ambany sitrahan’ny mpiasa eto amintsika, hoy ny mpiasa, amin’ny ankapobeny. Ny Firaisamben’ireo mpiasa malagasy revolisionera, na ny FISEMARE izao dia manombana ny karama farany ambany ho tokony manodidina ny 1 tapitrisa ariary, rehefa kajiana ny filàn’ny olombelona amin’ny ankapobeny.

Famoronana asa

Ankoatra izay, ny momba ny famoronana asa dia isan’ny notsipihin’ny minisitra Razakaboana Hanitra Fitiavana, ny fanatanterahana ny asa manokana hamantarana ireo fanararaotra azo hamoronana asa (identification des opportunités d’emploi) eny anivon’ny Faritra 24 eto Madagasikara, mba hahafahana mamorona asa mifanaraka amin’ny filàna eny amin’ny Faritra. Etsy an-daniny, efa notanterahina ary mbola mitohy ny tan-tsoroka momba ny fanolorana asa mendrika, ny fampidirana hiasa sy ny famerenana hiasa, indrindra ny tanora, ny vehivavy ary ny olona manana fahasembanana, izay nojerena manokana. Olona miisa 84 309 no efa nisitraka izany, hatreto, hoy ny Minisitra. Nisy, ankoatra izay, ny ezaka fanatsarana ny tolotra momba ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fiahiana ara-pahasalamana, izay nitarina ho amin’ireo mpiasa tena.

Lalàna mifehy ny asa

Isan’ny mbola andrasana kosa ny fandanian’ny parlemantera ny volavolan-drijan-tenin-dalàna momba ny fehezan-dalàna mifehy ny asa, na « code du travail », izay nasiam-panovana, noho ireo fahabangana nisy tao anatiny, ka nasiam-panitsiana izany. Isan’ny banga amin’ny lalàna mifehy ny asa ankehitriny moa, na koa ilàna fanitsiana, na fanamafisana, ny momba ireo sehatra azo ampiharana ny fehezan-dalàna momba ny Asa ; ny asa tsy an-tsitrapo ; ny fandrafetana ny fifanarahana arak’asa ; ny fampiatoana ny fifanarahana arak’asa ; ny filaminana eny anivon’ny asa ; ny fepetra manokana mifehy ny mpiasa mifindra monina sy ny fomba fandraisana azy ; ny fitantanana ny tontolon’ny asa sy ny fampananana asa ; ireo andraikitr’ireo mpiantsehatra ao anatin’ny fiofanana arak’asa ; ireo sazy eo amin’ny sehatry ny asa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo