• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Vaud Famille
Image
Sexualité & Mariage

Tokantrano : torohevitra mahomby hialana amin’ny trosa

28/11/2023 10:19 © Moov.Mg

Anisan’ireo toe-javatra mandrendrika ny tokantrano ny fibabena trosa. Maro ireo mpivady no sasatry ny manefa trosa isaky ny mandray karama na mahazo vola amin’ny asa tena atao. Azo atao tsara nefa ny miala sy misoroka ny fitrosana rehefa manova ny fomba fiaina sy ny fitantanam-bola. Araho ‘nge e !

Manamboatra tetibola hisorohana ny trosa

Fomba iray manampy betsaka amin’ny fitantanana ny vola ao an-tokantrano ny fanaovana teti-bola. Ity farany moa dia mamaritra ny vola miditra sy ny vola mivoaka rehetra ao amin’ny ankohonana mba ahafahana mandinika ny fomba atao hampifandanja azy ireo. Raha hita fa ny vola mivoaka no betsaka noho ny vola miditra dia mila amboarina ny teti-bola. Izany hoe, jerena avokoa ireo fandaniana ao an-trano ka anesorana izay afaka ahena. Mila amboarina araky ny fiovana misy ao an-tokantrano ihany koa izany teti-bola izany, toy ny fiovana asa (sy karama), fiterahana, fisotron-dronono, fisaraham-panambadiana…

Mametraka drafitra hanefana ny trosa

Mba ahafahana miala amin’ny trosa dia mila aloa tanteraka aloha ny trosa efa misy. Mba ahafahana manatanteraka izany dia atao lisitra ireo trosa rehetra mila efaina. Raha nitrosa tamin’ny banky moa dia efaina isam-bolana izany trosa izany. Raha nitrosa taman’olona dia miezaka manefa azy rehetra arak’izay tratra. Atsofoka ao anaty teti-bola ny famerenana ny trosa ary atao laharam-pahamehana. Araka ny efa voalaza teo aloha dia alamina ny fandaniana ao an-trano ka atao mandefitra ireo fandaniana tsy laharam-pahamehana amin’ny fiainana.

Mitazona fahazarana tsara amin’ny fitantanana ny vola ao an-tokantrano

Rehefa voaefa hatramin’ny farany ny trosa rehetra dia tandremana tsara mba ho tazomina ireo fahazarana tsara nampiharina tamin’ny fitantanana ny vola ao an-tokantrano. Anisan’izany ny tsy fandaniana vola mihoatra ny vola miditra. Fadiana ny manao fandaniana tsy ampiheverana satria isan’ireo anton-javatra mahatonga ny trosa ny fanaovana izany. Mila tozina hatrany ny fanaovana teti-bola hitantanana ny vola ao an-tokantrano. Ampidirina ao anatin’izany ny fanangonana vola hitsinjovana ny vodiandro ho merika.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo