• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Ça M'Intéresse
Image
Sexualité & Mariage

Mpivady tera-bao : hafiriana vao afaka manao firaisana ara-nofo ?

06/11/2023 14:59 © Moov.Mg

Anisan’ny fanontaniana manitikitika ny sain’ny mpivady tera-bao ny hoe : hafiriana vao akafa manao firaisana ara-nofo aorian’ny fiterahana ? Samy manana ny toe-batany ny vehivavy tsirairay ary miankina amin’ny lafin-javatra maro ny fe-potoana ahafahan’ny mpivady tera-bao miroso amin’ny fanaovana firaisana indray.

Ny fotoana mahasitrana ny vatan’ny vehivavy taorian’ny fiterahana

Anisan’ireo lafin-javatra mila heverin’ny mpivady tera-bao alohan’ny hiverenana manao firaisana ara-nofo ny fotoana hahasitranan’ny vatan’ny vehivavy. Rehefa miteraka tokoa ny vehivavy dia mihitatra ny haben’ny fivaviana ary mivonto sy marary mandritra ny 2 na 3 andro taorian’ny niterahana raha toa ka niteraka « voie basse ». Miverina tsikelikely amin’ny habeny taloha izy io ary miverina tanteraka amin’ny laoniny rehefa afaka 1 volana. Tokony miverina miaraka amin’izay ny « élasticité » ny fivaviana sy ny « périnée » mba ahafahan’ny vehivavy mahazo fahafinaretana indray rehefa miray ara-nofo. Raha ny fahavononan’ny vatana no jerena dia tokony afaka miverina manao firaisana ny mpivady tera-bao aorian’ny 1 volana sy tapana tao aorian’ny fiterahana. Raha nodidina kosa dia miandry 4 volana vao afaka miray satria izay vao sitrana tanteraka ny zaitra tamin’ny fandidina.

Ny fahavononana ara-tsaina eo amin’ny vehivavy tera-bao

Maro tokoa ny vehivavy no tsy mazoto manao firaisana mihintsy mandritra ny herinandro maro tao aorian’ny fiterahana. Maro ny antony mety mahatonga izany fahalainana izany. Voalohany amin’izany ny tahotra ny harary, indrindra raha tataka ka nozairina nandritra ny fiterahana. Ankoatra izay ny tsy fahatsapana filàna ara-nofo nohon’ny fikorontanan’ny « hormones » na ihany koa nohon’ny harerahana vokatry ny fitaizana. Raha tsy mazoto hiray ny vehivavy tera-bao dia tsy hahazo fahafinaretana sy hahatsiaro mijaly mandritra izany. Mandalo ihany nefa matetika izany fahalainana izany ka mila endrasa izany fahavononany ara-tsaina izany vao tokony miroso amin’ny firaisana indray ny mpivady.

Ny fiverenan’ny fadim-bola mba hisorohana ny « koso-maina »

Toe-javatra mampatahotra ny rasazy sy ny dokotera ary indrindra ny mpivady tera-bao ny hoe bevohoka indray ny vehivavy nefa mbola kely anaka. Anisan’ny antony maro mahatonga ny vehivavy hitoe-jaza volana vitsy tao aorian’ny fiterahana ny fanaovana firaisana nefa mbola tsy niverina ny fadim-bolana. Izany no antsoina hoe « koso-maina ». Raha toa ka mbola tsy niverina tokoa mantsy ny fadim-bolana dia tsy fantatra mazava ny fotoana maha lonaka (ovulation) ilay vehivavy ka mety ho bevohoka izy rehefa miray tsy nisy fiarovana. Mba hisorohana izany dia tsara raha miandry miverina ny fadim-bolana vao manao firaisana indray ny mpivady tera-bao. Ankoatra izay dia tsara foana raha mampiasa fomba fandrindram-piterahana azo antoka mba hialana amin’ny vohoka tsy niriana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo