• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Mon Enfant Est Malade
Image
Reny&Zaza

‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny « muguet buccal » mpahazo ny zaza

19/03/2024 14:38 © Moov.Mg

Misy zavatra fotsifotsy tsy mety afaka ve eo amin’ny lelan’ny zazakely na fafana aza ? Toa mavaivay tsy mahazo aina ve ny ativavany ? Fantaro fa mety ho « muguet buccal » no mahazo azy. Fa inona tokoa moa ny aretina « muguet buccal » ? Ahoana ny fomba fisehony ? Inona ny fomba atao hitsaboana izany ?

Inona no atao hoe « muguet buccal » ?

Ny « muguet buccal » dia otrikaretina mahazo ny zaza latsaky ny erin-taona vokatry ny « champignons » iray antsoina hoe « Candida albicans ». Efa misy ara-boajanahary ao anaty vavan’ny zaza ny « Candida » ary tsy mampaninona azy izany. Rehefa miha lehibe nefa ny zaza dia mitombo ny hery fiarovana ao aminy ary mitombo miaraka amin’izany ihany koa ireo « Candida » ireo ka manjary lasa miteraka otrikaretina. Mety mahatonga « muguet buccal » ihany koa ny fanomezana « antibiotique » ny zaza.

Inona avy ireo sortr’aretina ahafantarana fa voan’ny « muguet buccal » ny zaza ?

Raha voan’ny « muguet buccal » ny zazakely dia toy izao ny soritr’aretina mety hiseho :
-Misy zavatra fotsifotsy somary matevina mipoitra eo amin’ny lelan’ny zaza na feno pentina fotsy ao am-bavany ka tsy mety miala na fafana aza. Mety hiseho ao amin’ny lanilany sy ny anatin’ny takolaka ihany koa moa ireo soritra fotsifotsy ireo ;
-Mety hiloko hafa toy ny mavo, manga, volon-davenona na volon-tany ihany koa ny lokon’ilay zavatra eo amin’ny lela ny zaza io ;
-Misy ratra kely toy ny « aphte » miseho eo amin’ny molotry ny zaza ;
-Mitomany rehefa minono na rehefa misakafo satria manaintaina ny ao anaty vava.
Marihana fa mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana ity otrikaretina vokatry ny « Candida » mahazo ny zaza ity. Noho izany, raha toa ka mampinono ny renin’ilay zaza voan’ny « muguet buccal » dia mety hisy ratra na mitriatra maromaro miseho eo amin’ny lohanon’ilay reny. Manaintaina, mamaivay, mangidihidy ireo ratra ireo.

Ahoana ny fomba fitsaboana ny « muguet buccal » ?

Amin’ny ankapobeny dia tsy dia misy atahorana ny « muguet buccal » mahazo ny zazakely. Sitrana ho azy afaka andro vitsy moa izy io raha mbola maivana ny fomba fisehony. Raha toa kosa fa hita mihombo ary tsy afaka anaty ny 5 andro izany otrikaretina izany dia mila entina any amin’ny mpitsabo manoka ny zazakely na « pédiatre » ilay zaza. Matetika dia fanafody ahosotra miady amin’ny « champignon » no asain’ny mpitsabo ampiasaina.

Ireo torohevitra hisorohana ny « muguet buccal »

Mba hisorohana ny « muguet buccal » dia fadiana ny mifanakalo na ny mifampizara amin’ny zaza hafa ny « tétines », « sucettes » na kilalao mety ampidirin’ny zaza ao am-bava. Tandremana tsara koa mba ho diovina tsara ny « tétines » isaky ny avy ampiasaina. Sasana matetika ihany koa ny « sucettes » sy ny kilalaon’ny zaza.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo