• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Mont Roucous
Image
Reny&Zaza

Ireo aretina mety hiseho amin’ny vehivavy bevohoka

11/03/2024 14:31 © Moov.Mg

Maro ireo karazana aretina tsy miseho amin’ny vehivavy raha tsy efa bevohoka. Manoloana izany dia mila mitandrina tsara ny vehivavy mitondra vohoka, ho an’ny fahasalamany sy ny an’ny zaza ao an-kibo. Santionany amin’ireo aretina mety hahazo ny bevohoka ary no ho tanisaina eto.

Ny fiakaran’ny tosi-drà

Marihana fa misy karazany 3 ny tosi-drà mandritra ny fitondrana vohoka. Ny voalohany amin’izany dia ny atao hoe « chronique » izay miseho eo amin’ny herinandro faha 20 ny vohoka na mandritra ny fitondrana vohoka iray manontolo. Ny faharoa dia ny atao hoe « gestationnel » izay miseho any amin’ny telo volana farany ny fitondrana vohoka. Mahazana moa dia tsy misy fambara mihintsy izy io. Ny farany dia ny fiakaran’ny tosi-drà noho ny vohoka mihintsy. Mila fanaraha-maso hatrany ny fiakaran’ny tosi-drà eo amin’ny bevohoka mba hisorohana ny fahasarotana mety aterak’izany.

Tsy fahampian-drà

Olana iray hafa mety hitranga rehefa mitoe-jaza ny tsy fahampian’ny sela mena ao anaty rà. Raha izany no mitranga dia lasa tsy ampy « fer » ny vatana, ka manjary lasa mora vizana, tsy mitempo tsara ny fo, mihahatsatra, tsy mitombo ara-dalàna ny zaza ao am-bohoka. Mba hiadiana amin’ny tsy fahampian-drà dia mila mihinana sakafo mitondra « fer » ny bevohoka ho fanampin’ireo fanafody « fer » omen’ny mpitsabo na ny rasazy. Ilaina ihany koa ny fihinanana vitamina B12 sy « acide folique » izay omen’ireto farany. Raha toa ka tsy voaarina ara-dalàna ny tsy fahampian-drà dia mila ampiana rà eny amin’ny hopitaly ao anatin’ny vatana.

Aretina amin’ny fivaviana

Rehefa bevohoka ny vehivavy dia mety hivoaramena, handigihidy, hanaintaina, hangirifiry…ny fivaviana. Mety hisy tsiranoka betsaka, tsy misy fofona, ihany koa mivoaka. Ny fiovaovan’ny tsiry mpanentana na « hormones » no mahatonga izany. Amin’ny ankapobeny dia tsy atahorana hisy fiantraikany any amin’ny zaza ao am-bohoka izany. Ilaina foana nefa ny manantona mpitsabo manam-pahaizana momba ny taovam-pananahana (gynécologue » ihany mba hanaovana ny fitiliana sy ny fizahana rehetra mila atao. Mila manaraka fitsaboana manokana kosa raha toa ka vokatry ny aretina azo amin’ny firaisana ara-nofo no mahatonga ireo aretina voalaza ireo.

« Streptocoque B »

Ny « streptocoque B » dia aretina iray mpahazo ny vehivavy bevohoka vokatry ny bakteria iray mitoetra any anatin’ny tsinay sy ny tsinaibe. Ny bevohoka manana hery fiarovana marefo matetika no mora andairan’ity aretina ity. Saika miantraika any amin’ny zaza ao am-bohoka na eo am-pahaterahana matetika ny fitondran’ny bevohoka io aretina io. Ny fanafody omen’ny mpitsabo irery ihany no afaka manasitrana ny « streptocoque B ». Mazava ho azy fa tsy maintsy manao fitiliana ity aretina ity ny bevohoka mba hitsaboana izany sy hisorohana ny fifindrany amin’ny zazakely.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo