• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Excellemd
Image
Reny&Zaza

Vehivavy bevohoka : ireo tsara fantatra mikasika ny fisafoana

25/02/2024 19:50 © Moov.Mg

Miantoka lehibe amin’ny fahasalaman’ny bevohoka sy ny zaza ao an-kibo ny fisafoana. Mila manatanteraka izany avokoa ny bevohoka rehetra mandritra ny fitondrana vohoka. Fa inona tokoa moa ny atao hoe misafo ? Inona daholo ny tsara fantatra mikasik’izany ?

Inona ny atao hoe misafo ?

Ny atao hoe misafo dia ny fanarahana ny fivoharan’ny vohoka sy ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ao am-bohoka. Izany hoe, rehefa mitoe-jaza ny vehivavy iray dia manantona rasazy na tobim-pahasalamana mba hanaraha-maso ny fitombon’ny zaza ao an-kibo sy hisorohana ny fahasarotana eo am-piterahana.

Oviana ary impiry no tokony misafo ny bevohoka ?

Rehefa voamarina fa mitondra vohoka dia mila mandeha misafo ny bevohoka. Tsara raha tanterahana manomboka eo amin’ny faha telo volana voalohan’ny fitondrana vohoka izany. Raha salama tsara ny reny sy ny zaza ao an-kibo dia tokony hisafo in-efatra eny amin’ny tobim-pahasalamana ny bevohoka.
Ankoatra izay dia mila mihaona im-balo amin’ny mpiasan’ny fahasalamana (rasazy na « gynécologue »). Tsy adinoina ny fanaovana « échographie » intelo farafahakeliny mandritra ny fitondrana vohoka mba hanaraha-maso ny fitombon’ny zaza ao an-kibo.
Mety ilaina kosa nefa ny fihaonana matetika kokoa amin’ny mpiasan’ny fahasalamana raha toa ka misy fahasarotana eo amin’ny fitondrana vohoka na raha misy ahiana ny fitombon’ny zaza ao am-bohoka.
Rehefa feno volana ny kibo na ho « à terme » dia miverina misafo matetika mandra-pahateraka. Raha sanatria ka misy fambara mampiahiahy « signes d'alerte » na, fambara ratsy « signe d'urgence » dia mila manatona tobim-pahasalamana na ny rasazy na ny dokotera mpanaraka azy avy hatrany ny bevohoka fa tsy miandry « rendez-vous ».

Ireo tokony homanina rehefa mandeha misafo

Amin’ny ankapobeny dia tsy misy tokony atahorana ny fandehanana misafo. Dingana iray manampy ny bevohoka amin’ny fanaraha-maso ny fahasalamany sy ny an’ny zaza ao an-kibony moa ity farany. Misy kosa nefa ireo fiomanana vitsivitsy tokony atao rehefa handeha hisafo.
Fiomanana ara-batana :
-manao madio tsara ;
-tsy manao akanjo tery sy sarotra vahana satria ho sahirana rehefa hozahana.
Fiomanana ara-tsaina :
-mivonona tsara ny saina hoe tsy misy zavatra tokony atahorana ny fizahana ataon’ny rasazy na ny mpiasan’ny fahasalamana hampisafo ;
-miomana hoe mety ho tsapaina ny « vozon’ny tranon-jaza » (fa tsy voatery satria miankina amin’ny toe-batan’ny vehivavy tsirairay ny ilaina izany).
Fiomanana ara_bola :
-mila mivonona ara-bola hatrany rehefa mandeha misafo satria tsy fantatra izay fizahana fanampiny asain’ny mpampisafo atao, toy ny « échographie », « analyse »… ;
-miomana foana ihany koa indraindray misy fanafody mila vidiana tampoka ka sahirana raha tsy nitondra vola.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo