• Cours de change
  • 4737.31 AR
  • |
  • $4420.49 AR
Copyright Image : © L'Union
Image
Tantara

Moov confidences : Matin'ny fandraisana zava-mahadomelina ny zanako

01/05/2023 15:43 © Moov.Mg

Mora sady mahafinaritra ny mandray zava-mahadomelina. Ny tsy fantatry ny maro nefa, na iniana tsy fantatra, dia mety haningotra ny aina izany raha lasa fahazaran-dratsy. Tovolahy iray vao 23 taona monja no nindaosin'ny fahafatesana rehefa nahavita "désintoxication" nefa niverina nandray zava-mahadomelina indray.

Ditra sa fitaizana tsy nahomby ?

Maro no milaza fa tsy misy ny zaza hendry na maditra fa zaza tsara taiza sy ratsy taiza no misy. Mandratra ny foko tokoa io fehezan-teny io. Isan'andro mantsy aho dia manontany tena hoe taiza ho aiza ny lesoka tamin'ny fanabeazako ny zanako no dia izao fahafatesana mahamenatra izao no niafarany. Tsy vitan'ny namoy anaka mantsy izahay fa sady tondroin'ny olona molotra. Tao anatin'ny telo taona teo ho eo no niainanay tao anatina tadio nirimorimo tokoa.
Teo amin'ny faha-roapolo taonan'ny zanakay lahimatoa no tsikaritray fa nanomboka niova ny fihetsiny : lasa mitokatokana, tsy be teny, kamo mianatra. Tsy nety nanohy ny fianarany teny amin'ny ambaratonga ambony intsony izy, nefa sady tsy nety nanao fizaran'asa na nitady asa ihany koa. Ny tena nanaitra anay dia nisy entana maromaro lafo vidy nanjavona tao an-trano. Izahay nefa tsy nanana mpanampy. Ireo zanakay vavy roa miara-mipetraka amin'ny renibeny. Rehefa nandeha ny fotoana dia tratran'ny vadiko ambodiomby ity zanakay lahy nisava ny fitoeran'ny firavaka volamena. Teo no nipoahan'ny resaka : mifoka sy mitsindrona rongony izy. Soa fa tafody aloha aho tamin'izay andro izay satria saika nampiharany herisetra ny reniny. Nanomboka teo no nitady hevitra izahay mba hialany amin'ny fomba ratsiny. Rehefa nisava ny zava-mahadomelina noraisiny dia nanontaniana izy raha vonona hiova. Nezahinay nanontaniana ihany koa ny antony nampivarilavo azy. Zaza niadana tokoa izy satria toy ny lahitokana an-trano, sady nanana izay ampy itoviana amin'ny zana-bahoaka rehetra. Tsy nisy sahy namaly ny antsonay ireo namany, ka teo indrindra no nahalalanay fa izy ireo no nitarika ny zanakay handray zava-mahadomelina. Isan-kariva izy no mitsindrona zava-mahadomelina, ary ny tena mahagaga, mahita zava-mahadomelina hatrany izy na dia tsy nivoaka ny trano sy efa nosavaina avokoa aza ny entany rehetra. Nivezivezy tetsy sy teroa izahay mba itadiavana izay "centre de désintoxication" sahaza ny fahefa-mividinay. Maro tokoa mantsy ireo fepetra tokony arahina, na eo amin'ny ara-bola, na ny ara-tsakafo.

Tafita vao rendrika

Naharitra enim-bolana teo ho eo ny nijanonan'ilay zanakay tany amin'ny centre de désintoxication. Nanaraka fitsaboana moa izy mba hahafahany amin'ny fahazaran-dratsy. Niha-nahia andro aman'alina ny tenany noho ny fitsaboana izay tsy maintsy atao analana ny zava-mahadomelina amin'ny vatany. Nandany vola tokoa izahay ray aman-dreny na tamin'ny vidim-panafody, na tamin'ny volan'ny dokotera, na tamin'ireo sakafo ara-pahasalamana natolotra ny marary. Rehefa vita soa aman-tsara ny désintoxication dia nanapa-kevitra izahay fa ampanarahina "thérapie" eny amin'ireny "psychologue" ireny izy, ahafahany manamora ny fiverenany eo anivon'ny ankohonany. Azo lazaina fa nahomby tokoa izany. Niverina toy ny teo aloha ny zanakay, na fiteny, na fihetsika, na fitsiky. Nampitomboana ny fifanerasena tao an-trano ka lasa faharazana ny fakan-drivotra isaky ny faran'ny herinandro. Ramatoa vadiko moa dia seriny ery nanavao ny tao an-trano mba ho lasa maha-te-honina sy mahafinaritra ny manodidina an-janany.
Indrisy nefa, herintaona mahery kely teo ho eo ihany no nanjakan'ny fiadanana ny tokantranonay. Indray andro, niantsena ny vadiko, ary izaho tany am-piasana. Rehefa tafaverina izy dia niantso ahy fa tsy hita ny zanakay. Tsy nody an-trano nandritra ny herinandro ilay lahimatoanay. Nataonay daholo izay hevitra rehetra ahitana azy. Akory nefa ny hagaganay fa tany an-tranon'ilay namany izay anisan'ny nitarika azy handray zava-mahadomelina izy no hita. Vatan-dehilahy maromaro no nanampy anay vao nanaiky hody ilay zanakay. Ilay namany kosa nigadra avy hatrany satria nahatratrarana zava-mahadomelina tao an-tranony.
Kivy tanteraka izahay satria efa lany fananana tamin'ny fitsaboana, nefa dia niverina tamin'ny fomba ratsiny indray ny zanakay. Marihiko fa niverina toy ny teo aloha izy : marary sy tsemboka be raha vao tsy mandray zava-mahadomelina isan'andro. Tsy nisy vahaolana afa-tsy ny namerina azy tany amin'ny "Centre de désintoxication". Kivy ilay dokotera raha vao nahatazana anay. Nazavainy anay fa mila fotoana misimisy kokoa vao sitrana ny mararinay, satria tsy zakan'ny vatany intsony raha atao toy ny teo aloha ilay fitsaboana.
Voatery nofatorana matetika ny zanakay satria te hirifatra hitady zava-mahadomelina. Naratra mihitsy ny tanany aman-tongony. Tsy tapitra akory ny volana iray dia namoy ny ainy izy.Toa ny vetivety izany 3 herinandro mahery kely saingy tena lava tokoa taminay. Lany fananana izahay ray aman-dreny, lany haiky, lany henatra, sady namoy zanaka.

Hafatra mafonja

Herintaona teo ho eo izay no nahafatesan'ny zanakay : Mbola tsy nikatona ny fery. Mbola tsy hainay takarina ihany koa ny antony tena nahatonga azy handray zava-mahadomelina. Tsy hoe zanak'olona sahirana na nampihantaina loatra mantsy ny zanakay. Tsy hoe bedy lava na niaina tanaty tokantrano mikorontana ihany koa. Niezaka izahay nanakaiky ny fony, nanao izay rehetra azo atao nanavotana ny fanahiny, saingy indrisy. Fony izy nivoaka ny "centre de désintoxication" no nahateny taminay hoe tsy te hahita ny namany taloha intsony satria te hanorina fiainam-baovao. Tsy nahatana ny teny nomeny nefa izy fa namerina ny fahazaran-dratsiny tamin'ny fotoana tsy nampoizina. Noho ny alahelony ny namany ve ? Sa tsy misy mitovy "feeling" aminy izahay ao an-trano ka aleony miverina amin'ny naman-dratsy ?
Tsy mahasoa velively ny zava-mahadomelina, na fohana na itsindromana ! Rehefa mandray indray mandeha dia tsarovy fa mivarotra ny tena sy ny fanahy amin-drafahafatesana. Maro ireo mihevitra fa tsy hanana namana intsony raha tsy manaiky miara-mirevy amin'izy ireo. Ao kosa ireo te hahavita dingana lehibe amin'ny fiainana dia mandray rongony kely mba ho sahisahy. Tsy voatanisa ny antony mety hanosika ny tanora hanaonao foana. Tsiahivina nefa fa fsy ilay mpidoroka irery nefa no sahirana fa ireo manodidina azy ihany koa.
Ny hendry ihany no atoro tompoko.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo