• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Ak Business
Image
DYI

Fanorenana haingana sy mora kokoa : Trano vita amin'ny Conteneur

21/02/2024 09:01 © Moov

Tsy misy toa ny manana trano, indrindra raha ny eto Antananarivo. Miaina fahasarotana tokoa mantsy ireo manofa trano. Ny fanorenana nefa dia sady mila vola be no mila fotoana maharitra. Mety hanampy tokoa ny fisian'ny Conteneur mba hampihena ny vola lany sady hahavitana ny fanorenana ao anatin'ny fotoana fohy, ho an'ireo efa manana tany.

Conteneur maritime, vy maharitra an-taonany maro

Ny "Conteneur maritime" dia ilay mahitsizoro goavana fitondrana entana eny ambony sambo. Rehefa tonga an-tanety, afindra avy hatrany amin'ny kamiao izy io mba tsy hamindrana ny entana ao anatiny.

Vita amin'ny vy matevina ny Conteneur, ka mahazaka ny toetrandro rehetra. Mazava ho azy, tsy tafiditry ny orana izy io ka voaaro tsara avokoa ny entana rehetra atao ao anatiny. Noho ny refiny lehibe tokoa, izay mahatonga azy azo itondrana fiara sy entana lehibe isan-karazany, tsy vitsy ireo mampiasa azy ho "abri". Taona maro izay, tafiditra ao anaty lisitry ny "matériels de construction" be mpividy maneran-tany ny Conteneur. Azo ipetrahana avy hatrany izy raha manana tany ametrahana azy, sady tsy mila fikarakarana firy. Tsy mila manangana rindrina sy mametraka tafo intsony mantsy.


Copyright Image : © Inspirebox

Conteneur maritime, azo anamboarana trano raitra

Ho an'ireo olona vao manomboka mihary nefa efa manana tany, azo ipetrahana tsara ny Conteneur. Ny fanadiovana sy ny fandokoana ihany no tena ilaina, mialoha ny hametrahana ireo fanaka. Efa misy varavarana lehibe ilay mahitsizoro lehibe ka azo sokafana tsara mba hidiran'ny rivotra. Ilaina kosa nefa ny manampy varavarankely mba tsy hanempotra loatra ilay tranovy ipetrahana.
Raha te hanana trano tena raitra, azo atao tsara ny miketrika "plan architectural" miavaka. Mila Conteneur maromaro amin'izany, sady mila fitaovana maromaro hanaovana ny fototra sy ny "finition". Raha tsy hiova toerana intsony, izany hoe tsy ho bataina amin'ny toeran-kafa ilay Conteneur, ilaina ny manisy fototra "beton". Apetraka avy eo ireo Conteneur ilaina ka izay vao manomboka ny tena asa : fanambarana, fametrahana varavarana sy varavarankely misy fitaratra, fandokoana, fametrahana akora hanakonana ilay vy amin'ny rindrina, sns. Mety hila vy fanampiny ihany koa amin'ny "séparation", hizarana efitra ohatra. Mila fantatra mialoha ireo asa miandry, arakaraka ny endrika tiana havoaka. Tsara raha atao sary avokoa na ny anatiny na ny ivelany.
Marihana fa ny manamarika fa mafana kokoa ao anatin'ny Conteneur, noho ny vy izay mora mandray hafanana. Ilaina araka izany ny fametrahana "système de ventilation" na ihany koa fametrahana "revêtement" ivelan'ilay tranovy, toy ny hazo. Maro ihany koa ireo misafidy hanorina amina toerana mangatsitsiaka be hazo sy zavamaniry mba isorohana izay hafanana be izay.
Raha efa manana trano nefa te hanampy efitra, azo atao tsara ny manisy Conteneur eo anilany, raha misy toerana malalaka. Azo antoka fa tsy hisy fandaniana firy sady vita haingana ny asa.


Copyright Image : © Architecture Contenair

Fampitahana sy fanomanana

Mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra dia tsara ny mampitaha ny vola lany amin'ny "construction en dur" sy ny fananganana trano amin'ny alanan'ny conteneur. Somary lafo mantsy ny vidin'io tranovy lehibe io.

40 pieds

"40 pieds" no ilazana ilay Conteneur tena lehibe. 67 m3 ny hadiriny (volume). Ny refiny kosa dia 12,19 x 2,43 x 2,89 m (L x l x h). Manodidina ny 20 000 000 ariary ny vidiny, arakaraka ny hatsarany (état).

20 pieds

Raha somary kelikely ny toerana ilaina, "20 pieds" ny Conteneur kelikely kokoa. 33 m3 ny hadiriny (volume). 6,05 m x 2,44 m x 2,59 m (L x l x h) kosa ny refiny.
Tsara kokoa raha ankinina amina orinasa efa za-draharaha ny fanamboarana ny trano vita amin'ny Conteneur. Raha hanakarama olon-tsotra kosa dia mila arahina akaiky ny dingana rehetra.


Copyright Image : © Cubner

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo