• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Manora Bijoux
Image
DYI

Fomba tsotra hanadiovana ny firavaka volafotsy

06/02/2024 16:18 © Moov.Mg

Toy ny firavaka rehetra dia mila fikarakarana ny firavaka volafotsy mba hijanona ho mamiratra hatrany ny endriny. Ny fanadiovana azy moa ny fomba anatanterahana izany. Ireto manaraka ireto ary misy fomba tsotra azo atao ao an-trano hanadiovana ny firavaka volafotsy.

Diovina amin’ny voasarimakirana ny firavaka volafotsy mba hampamiratra azy

Akora natoraly efa fampiasa matetika amin’ny fanadiovana ny fitaovana isan-karazany ao an-trano ny voasary makirana. Mandaitra ihany koa izy ireny amin’ny fikolokoloana sy ny fanadiovana ny firavaka volafotsy. Tsotra ny fomba fampiasana azy. Zaraina roa ny voasary makirana. Kosehana amin’ny ranon’ity farany ilay firavaka volafotsy mandritra ny 5 minitra hatramin’ny 10 minitra. Aorian’izay dia kosehana amin’ny borosinify nasiana vovon-tsavony kely. Rehefa afaka ny loto rehetra dia kobanina amin’ny rano ary fafana amin’ny lamba malefaka sy madio.

Mampiasa karibonetra hanadiovana ny firavaka volafotsy

Ny karibonetra ihany koa dia akora natoraly efa tsy zoviana intsony amin’ny fanadiovana ny zavatra ao an-trano. Azo ampiasaina amin’ny fanadiovana ny firavaka volafotsy ihany koa izy ity. Tsotra ihany koa ny dingana atao amin’ny fanaovana izany. Atao anaty lovia jobo iray ny rano mangotraka. Alatsaka ao ny firavaka volafotsy ho diovina. Rarahana vovon-tsavony 2 sotrokely sy karibonetra 1 sotrokely ao anatin’ilay rano mangotraka misy ilay firavaka. Avela hilona ao mandritra ny fotoana mampamatimaty ilay rano. Avy eo kosehina amin’ny borosinify ilay firavaka volafotsy mandrapiala ny loto rehetra. Kobanina tsara amin’ny rano madio alohan’ny hamafana azy amin’ny lamba malefaka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo