• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © The Spruce
Image
DYI

Fomba fanadiovana sy fikolokoloana ny « frigo »

02/02/2024 10:14 © Moov.Mg

Mora maloto sy mamoaka fofona ratsy ny vata fampangatsiahana na ny « frigo » rehefa tsy voadio sy voakolokolo araka ny tokony ho izy. Mila fahaizana manokana ny fanadiovana azy ireny satria mety tsy ho afaka tsara ny loto na mety hitarika ny fahasimbany. Ahoana ary ny fomba atao hanadiovana tsara sy hikolokoloana ny « frigo » ?

Esorina avokoa ireo sakafo anatin’ny « frigo »

Rehefa manadio « frigo » na vata fampangatsiahana dia mila esorina daholo aloha ireo sakafo sy ny boaty rehetra ao anatiny. Ariana avokoa ireo sakafo hita fa simba sy mety hanaparitaka loto na hiteraka fofona ratsy. Jerena ihany koa ny datin’ireo sakafo amin’ny boaty rehetra ary ariana izay efa lany daty. Apetraka amin’ny toerana madio ireo izay mbola tsara mandrapanadio ny « frigo ». Ireo sakafo mila hatsiaka be nesorina tao anaty « congélateur » dia fonosina tsara ary atsofoka anaty fitoerana nasiana « glaçons » mba tsy ho simba.

« Dégivrer » na atao mitsonika ny gilasy anatin’ny « congélateur »

Rehefa avy nesorina avokoa ireo sakafo sy boaty tao anatin’ny vata fampangatsiahana dia atao mitsonika ny gilasy amin’ny « congélateur ». Mitahiry loto tokoa mantsy ireny gilasy ireny ary sarotra ny manadio ny « congélateur » raha tsy mitsonika tsara izy ireny. Tsotra moa ny fomba hanaovana izany. Esorina ny « prise » an’ilay « frigo » ary sokafana ny varavaran’ity farany mba hivoahan’ny hatsiaka ao anatiny sy hidiran’ny hafanana avy ety ivelany. Tandremana tsara tsy esorina amin’ny antsy na kikisana ny gilasy mba hampiala azy haingana fa mety hanimba ny vata fampangatsiahana izany.

Esorina sy diovina avokoa ireo « compartiments » rehetra amin’ny frigo

Mandrapitsoniky ny gilasy amin’ny « congélateur » dia esorina avokoa ireo « compartiments » anatin’ny « frigo ». Izany hoe ireo fitoerana zavatra rehetra mety miala ao anatiny. Rehefa vita izay dia sasana ao anaty koveta amin’ny ranon-tsavony sy « éponge » tsirairay ireo rehetra ireo. Tsara kokoa raha atao somary mafana, fa tsy mamay, ny rano ampiasaina mba ho afaka tsara ny loto, indrindra raha nisy menaka tamin’izy ireo. Kobanina tsara avy eo avela hitsiaka amin’ny toerana madio sy maina. Afaka fafana amin’ny lamba maina sy madio tsara ihany koa.

Miditra amin’ny fanadiovana ny vata fampangatsiahana

Atomboka avy any ambony ary midina tsikelikely any ambany ny fanadiovana ny « frigo ». Maka rano matimaty amin’ny koveta kely, mampiasa ranon-tsavony ary « éponge ». Kosehana amin’ny « éponge » misy ranon-tsavony tsara avokoa ny rindrin’ny « frigo » rehetra. Atao hazo tsara avokoa ireo kiho rehetra. Rehefa vita izay dia kobanina amin’ny rano madio ary fafana amin’ny lamba maina madio tsara. Rehefa voadio ny anatiny dia atao toy izay ihany koa ny ivelany.
Raha toa ka misy fofona ratsy ao anatin’ny vata fampangatsiahana dia afangaro anaty anaty « bol » ny karibonetra 3 sotro fihinanana sy rano matimaty 1 sotro fihinanana. Io fangaro io no hanadiovana sy hikosehana ny « frigo » amin’ny alalan’ny « éponge ». Rehefa vita dia kobanina tsara amin’ny rano madio avy eo hamainina amin’ny lamba maina sy madio tsara.
Tsara raha isaky ny 15 andro no diovina tsara toy izay ny vata fampangatsiahana mba tsy hampiforona ireo loto na « microbes » mety hifindra amin’ny sakafo ka mety hankarary. Misoroka ny fofona ratsy ao anaty « frigo » ihany koa ny fanaovana izany. Tandremana ihany koa mba « éponge » vaovao sy madio hatrany no ampiasaina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo