• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Confessions D'Une Beauty Loveuse
Image
DYI

Fikafika natoraly manafotsy na manazava ny hodi-tava

30/01/2024 14:51 © Moov.Mg

Maro tokoa eto amintsika ireo maniry hanazava na hanafotsy ny lokon’ny hodi-tava. Misy noho izany ireo mividy vokatra (produits) lafo vidy hatongavana amin’izany tanjona izany. Misy ihany koa ireo tsy mahavidy vokatra lafo ka mampiasa ireo « produits » eny an-tsena tsy azo antoka ka manjary simba ny hoditra. Atoro eto ary ireo fikafika natoraly manampy amin’ny fanazavana ny hodi-tava.

Ovy manta, manadio sy manazava ny hodi-tava

Sasana, voasana ary kikisana ny ovy 1. Rehefa voakiky dia fihazana amin'ny tanana na amin'ny lamba misy masony madinika toy ny lay mba hivoaka ilay taviny fa tsy mijanona ao anaty lamba. Atao anaty « bol » io ranony io mandritra ny 10 minitra mba ho mandry (concentrer) ka mba hiavaka ny vovony sy ny ranony. Rehefa izany dia arina moramora ilay rano eo ambony ka ilay vovony tavela eo ambany no ajanona ao anaty vilia baolina. Osorana amin’ny tarehy madio io vovoka ovy io ary avela hilona mandritra ny 30 minitra vao kobanina. Atao in-droa isan-kerinandro mba ahazoana vokatra tsara.

« Yaourt nature », manamandina ary manafotsy ny hodi-tava

Sakafo iray mitahiry otrik’aina maro ilain’ny vatana ny « yaourt ». Maro ny vokatsoa azo avy amin’ny fihinana azy. Manampy betsaka amin’ny fikolokoloana ny hodi-tava ihany koa ny fanosorana azy ireny eo amin’ny tarehy. Manome sakafo ny hoditra ary manamandina azy ny fanaovana « masque » amin’ny « yaourt ». Tsara kokoa raha « yaourt nature » na ho tsy misy siramamy no safidiana. Tsotra ny fampiasana azy : diovina tsara ny tarehy ary avela ho maina. Rehefa vita izay dia osorana « yaourt nature » atao « couche » manify ny tarehy. Avela hilona mandritra ny 10 minitra dia kobanina amin’ny rano matimaty. Atao in-telo isan-kerinandro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo