• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Comment Conserver
Image
DYI

Torohevitra hanadiovana sy hikolokoloana ny lamba fotsy

29/01/2024 09:54 © Moov.Mg

Anisan’ny manahirana tokoa ny manadio sy mikolokolo ny lamba fotsy. Mora maloto sy mora misy tasy izy ireny nefa dia sarotra sasana. Misy ary moa ireo miova loko lasa tandalerina ary tsy miverina intsony mihintsy ny loko. Ireto manaraka ireto ary misy torohevitra vitsivitsy hanadiovana sy hikolokoloana ny lamba fotsy.

Manala ny loko tandalerina amin’ny lamba fotsy ny vinaigitra fotsy

Akora natoraly mandaitra tsara amin’ny fanadiovana ny lamba fotsy mivadika tandalerina ny vinaigitra fotsy. Azo ampiasaina amin’ny fanasana lamba amin’ny tanana sy amin’ny « machine à laver » izy io. Raha sasana tanana ny lamba fotsy dia lomana anaty rano mafana nasiana vinaigitra fotsy telo vera mandritra ny ora 1. Kosehana tsara avy eo kobanina. Raha mampiasa « machine à laver » indray dia vinaigitra fotsy no atao amin’ny fitoerana natokana ho an’ny « détachant ». Tsara raha avela miaha amin’ny masoandro ny lamba mba handaitra kokoa izany.

Mampiverina fotsy ny lamba ny karibonetra

Isan’ireo akora fampiasa amin’ny fanadiovana ireo karazana fitaovana ao an-trano ny karibonetra. Manampy betsaka amin’ny fanadiovana sy ny fikolokoloana ny lamba fotsy ihany koa izy io. Afaka manafotsy indray ny lamba fotsy nivadika mavo noho ny hatsembohana sy vokatry ny « calcaire » amin’ny rano ny karibonetra. Raha sasana tanana ny lamba fotsy dia lomana anaty rano mafana nasiana karibonetra. Kosehana tsara vao kobanina. Ahazana eo amin’ny toerana mandrivotra sy hazon’ny masoandro. Raha efa mavo loatra ilay lamba dia tsara kokoa raha rarahana karibonetra ny eo amin’ilay faritra mavo avy eo lemana rano kely. Kosehana tsara avy eo kobanina.

Manafotsy ny lamba fotsy tandalerina ny « eau oxygnée »

Manampy betsaka amin’ny fameranana ny loko fotsin’ny lamba fotsy nivadika tandalerina ny « eau oxygénée ». Ny karazana lamba « coton » no anadairan’ity vokatra ity kokoa. Tsotra ny fampiasana azy. Asiana « eau oxygénée » iray kaopy ao anatin’ny rano iray koveta lehibe. Avela hilona ao mandritra ny ora 3 ny lamba fotsy, toy ny « drap » na akanjo « coton ». Avy eo osorana savony fanasam-damba ilay lamba alohan’ny hikosehana azy tsara. Hiverina ho fotsy toy ny tamin’izy vaovao ny lamba rehefa voakobana.

Fikafika manampy amin’ny fikolokoloana ny lamba fotsy

Mba tsy ahamora tandalerina ny lamba fotsy dia misy ireo fomba tsara ampiharina amin’ny fikolokoloana azy. Voalohany dia tsy miaraka sasana amin’ny lamba sasany ireo lamba fotsy. Hiarovana azy ireo tsy hiofon’ny lamba hafa izany. Tsara raha amin’ny fitoerana maina tsara, tsy mandomando no ampirimana ny lamba fotsy. Ary farany, rehefa tratry ny tasy na misy faritra mavo mipoitra eo amin’ny lamba fotsy dia tsara raha sasana avy hatrany ity farany mba tsy hiraikitra be aminy izany loto na tasy izany.



Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo