• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Worldtv
Image
DYI

Torohevitra mahomby hanadiovana kiraro fotsy

24/01/2024 10:57 © Moov.Mg

Anisan’ireo zavatra sarotra diovina tokoa ny kiraro fotsy. Raha sendra maloto be tratry ny vovoka na fotaka izy ireny matetika dia tsy miverina fotsy tsara intsony rehefa avy sasana. Atoro eto ary ny torohevitra mahomby hanadiovana ny kiraro lamba fotsy mba hikolokoloana ny lokony tsy ho mora tandalerina.

Fanadiovana kiraro fotsy amin’ny karibonetra

Anisan’ireo vokatra mandaitra indrindra amin’ny fanadiovana kiraro fotsy ny karibonetra. Ity farany moa dia akora fampiasa matetika amin’ny fanadiovana, fanesorana tasy sy famonoana fofona amin’ny fitaovana isan-karazany ao an-trano. Antony iray mahatsara azy ity dia izy azo hanadiovana kiraro fotsy vita amin’ny lamba, hoditra na « daim ».
Tsotra ny fampiasana azy. Lemana ny borosy nify dia rarahana karibonetra. Kosehana amin’izay ny faritra tiana diovina rehetra amin’ilay kiraro fotsy. Atao manao boribory ny fomba fikosehana ny tasy na ny loto. Rehefa vita dia kobanina ary avela ho maina amin’ny rivotra eo amin’ny toerana tsy azon’ny masoandro.

Diovina amin’ny vinaigitra fotsy ny kiraro fotsy

Vokatra fanadiovana natoraly ary tsy mandany vola ny vinaigitra fotsy. Toy ny karibonetra dia fampiasa matetika amin’ny fanadiovana fitaovana maro ao an-trano ihany koa izy io. Mandaitra tsara amin’ny fanadiovana kiraro fotsy ny vinaigitra fotsy. Ireo karazana kiraro vita amin’ny lamba moa no tena tsara diovina aminy. Manampy betsaka amin’ny fanesorana ireo tasy sarotra miala ary mampivoaka tsara ny loko fotsin’ilay lamba izy io.
Mikasika ny fampiasana azy : rarahana vinaigitra fotsy ao anaty koveta misy rano. Avela hilona ao mandritra ny 15 minitra eo ho eo ilay kiraro fotsy. Aorian’izay dia kosehana amin’ny borosin-damba ilay kiraro mba hampiala ireo loto sy tasy. Kobanina amin’ny rano madio ary somary kosehana amin’ny « éponge ».

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo