• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

OMC Genève : Hanolotra ny politika ara-barony i Madagasikara

09/05/2024 22:06 © Moov

Miomana amin’ny fanolorana any amin’ny Vondrona iraisam-pirenena momba ny varotra ny politika ara-barony i Madagasikara

Fivoriana fanangonan-kevitra mandritra ny hateloana tetsy Antaninarenina no nanombohana ny fiomanana amin'ny fanolorana ny politika arabarotr'i Madagasikara any amin'ny OMC. Tonga eto amintsika miatrika izany, nanomboka ny Talata 7 Mey 2024, ny tompon’andraikitra avy any amin’ny OMC. Mandray anjara kosa ireo departemantam-panjakana voakasika sy ny Sehatra tsy miankina ary ny Minisiteran’ny Varotra izay mandrindra ny politikam-panjakana momba ny varotra. Mbola mitohy rahampitso 10 may moa ny atrikasa fanomanana, satria niato kely izany androany 08 may, andro tsy fiasana.

Teboka manan-danja

Fepetra tsy maintsy arahan'i Madagasikara amin'ny maha-mpikambana azy ao amin'ny OMC io fanolorana ny politika ara-barotra io, izay atao isaky ny 7 taona. Ny fanolorana fahatelo farany moa dia tamin'ny Jolay 2015 ary ny fanolorana fahaefatra dia hatao ny Febroary 2025. Ny tanjon’ity fanolorana ny politika ara-barotra fahaefatra ity dia ny hahafahan’ireo firenena mpikambana ao amin’ny OMC mamantatra misimisy kokoa izany politika ara-barotra izany ary ny fifanarahan’izany amin’ireo fifanekena nataontsika ao anatin’ny OMC. Ahafahana ihany koa manitsy raha sanatria ka misy ny tokony ho hatsaraina.

Tatitry ny Governemanta

« Tatitry ny governemanta » no iantsoana izany atontan-taratasy izany satria ny tompon'andraiki-panjakana sy ny sehatra tsy miankina rehetra no mandalo mifampiresaka amin'ny iraka avy amin’ny OMC sy ny Ministeran'ny Varotra. Satria mahasahana ny departemanta rehetra moa ny varotra dia ahitana ireo soritra lehibe sy fanazavana amin’ny antsipirihany ny politika any amin’ireo departemanta tsirairay ny atontan-taratasy hivoaka eo. Ny tombony dia ny hahafahantsika manamafy ny fanekena izay natao teo anivon’ny OMC ary indrindra manatsara ny tontolon’ny fandraharahana, izay tena antoky ny fandrosoana ara-toekarena ho antsika.
Hisy ny fanoratantsika ny politika ara-barotsika aorian’izany ary ny fanoratan’ny OMC ny politika koa araky ny fanao saingy isika ihany no tompon-teny farany. Hatolotra ary ho tohanan’ny Minisitra misahana ny varotra any amin’ny OMC Genève izany politika izany amin’ny 12 sy 14 Febroary 2025.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo