• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Papilles Et Pupilles
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « biscuits au beurre de coco »

08/05/2024 14:25 © Moov.Mg

Isan’ny be mpankafy tokoa ireny karazana mofomamy sy « biscuits » ahitana « coco » ireny. Maro moa ireo « biscuits » avy any ivelany manana izany tsiro izany fa dia lafo vidy tokoa izy ireny eny amin’ny mpivarotra eny. Atoro eto ary ny fomba fanamboarana « biscuits au beurre de coco » tsotra nefa matsiro.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « biscuits au beurre de coco » ao an-trano

-Lafarina 4 kaopy ;
-Dibera malemy (tsy mivaingana) 250g ;
-Siramamy manify (sucre glace) 2 kaopy ;
-Sira tapaky ny sotrokely ;
-Ronono tapaky ny kaopy ;
-Atody ;
-« Coco rappée » 1 kaopy (vidiana vita eny amin’ny tranombarotra lehibe).

Fomba fikarakarana azy

Tatavanina amin’ny « tamis » ny lafarina sy ny sira efa nafangaro.
Kapohana amin’ny « batteuse » ny dibera sy ny siramamy manify mandrapahatonga azy ho lasa maivana sy malefaka ;
Arotsaka ao anatin’ilay dibera sy siramamy nokapohana io ny atody ary aroharoana amin’ny « spatule » mba hifangaro tsara ;
Aorian’izay dia arotsaka ao amin’io fangaro io ny ronono ;
Alefa ao manarak’izay ny lafarina notatavanina sy ny « coco rappée » ;
Aroharoana tsara avokoa ny akora rehetra ireo mba hifangaro tsara ;
Rehefa vonona ny paty dia tsinjaraina anaty « emporte-pièces » na atao anaty « poche à douille » mba hanamboarana ny endriky ny « biscuits » ;
Afanaina amin’ny hafanana 180 °C mandritra ny 10 minitra ny lafaoro. Rehefa vita izay dia atsofoka ao ireo biscuits ary andrahoina mandritra ny 13 hatramin’ny 15 minitra. Rehefa hita fa mahazo loko somary volontany ny « biscuits » dia vita izy izay.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo