• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Firstcry Parenting
Image
Reny&Zaza

Fikolokoloana ny zaza : tsy dia tsara ampiasaina intsony ny « talc »

05/05/2024 11:23 © Moov.Mg

Vokatra iray fampiasa nandritra ny taon amaro ho fiarovana ny elakelam-pen’ny zaza tsy ho masaka ny « talc ». Ankehitriny nefa tsikaritra fa mihena ny mpivarotra ahitana azy ireny. Fa inona tokoa moa ny antony nampiasana « talc » ? Inona kosa ireo mety ho lafy ratsin’izy ireny eo amin’ny zazakely ?

Vokatra mandaitra fampiasa an-taonany maro ny « talc »

Efa an-taonany maro no nampiasana ny « talc » ho fikolokoloana ny hoditry ny zazakely sy mba hiarovana izany tsy ho masaka. Saika nampiasa azy io avokoa ny mpitaiza kely rehetra satria mandaitra tokoa ny « talc » noho izy :
-Miaro ny hoditry ny zaza tsy ho masaka ;
-Mitroka hamandoana ;
-Mampihena ny hatsembohana mandomando ;
-Manala fofona ratsy.
Noho ireo antony ireo moa dia misy ihany koa ireo olon-dehibe nampiasa « talc » mba hiadiana amin’ny hatsembohana sy ny fofona ratsy aterak’izany.

Ireo lafy ratsin’ny fampiasana « talc » eo amin’ny zazakely

Tsikaritra ankehitriny fa tsy mandrisika ny mpitaiza kely hampiasa « talc » intsony ny mpitsabo sy ny rasazy. Na dia maro tokoa mantsy ireo vokatsoa azo avy amin’ny fampiasana ity vokatra ity dia tsara ny manamarika fa misy ihany koa ny lafy ratsin’izany, indrindra eo amin’ny zazakely.
Isan’ireo lafy ratsiny voalohany dia noho izy vovon-javatra manify dia manify ka mora entin’ny rivotra. Mety mahatonga olana ara-pahasalamana eo amin’ny zazakely raha entin’ny rivotra ny « talc » ka lasa voatroka ny oron’ny zaza satria mety ho tonga any amin’ny tratrany sy hiteraka olana eo amin’ny taovam-pisefoany.
Araka ny voka-pikarohana natao tany ivelany ihany koa dia voalaza fa maro amin’ireo « talc » no mitahiry singa iray atao hoe « amiante ». Ity farany dia karazana « bactéricide » izay mety mahatonga homamiadana eo amin’ireo mampiasa azy.

Inona ary ny vokatra tsara asolo ny « talc » ?

Maro ireo vokatra fikolololoana ny hoditry ny zazakely sy hiarovana izany tsy ho masaka azo asolo ny « talc ». Anisan’izany moa ireo karazana menaka sy « crème » amidy eny amin’ny farmasia na eny amin’ireny mpivarotra kojakoja manokana natao ho an’ny reny sy ny zaza ireny.
Tandremana kosa rehefa misafidy mba ho vokatra natoraly, tsy ahitana « colorant » na « conservateur » artifisialy ary koa tsy misy « parfum » na alikaola. Tsy adinoina ankoatra izay ny manadio sy manamaina tsara ny hoditry ny zaza alohan’ny hanosorana ny vokatra fiarovana izany tsy ho masaka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo