• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © La Balise
Image
Vaovao

Mpanao gazety : Manana andraikitra goavana manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro

03/05/2024 14:36 © Moov.Mg

Niompana tamin’ny ady lehibe atrehin’izao tontolo izao akehitriny, dia ny fiovaovan’ny toetry ny andro, ny lohahevitra nentina nanamarika ny andro eran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety androany. Teny amin’ny Havoria Anosy no nankalazana izany.

Manabe sy manentana

« Fampahalalam-baovao miasa ho an’ny planeta : fahatrotrahan’ny tontolo iainana sy ny hamehana eo amin’ny asa fanaovan-gazety ». Io no lohahevitry ny andro eran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety taona 2024. Lohahevitra mahakasika an’i Madagasikara mivantana izy ity, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana, Rafaravavitafika Rasata, tao anatin’ny fandraisam-pitenenana nataony, nandritra ny fankalazana nasiônaly androany, teny Anosy. Manana adidy goavana, manabe sy manentana ny mponina ny amin’ny vokatry ny fiovaovan’ny toetry ny andro, ary koa amin’ny fampahafantarana ny tokony ataon’ny mponina manoloana izany, ny mpanao gazety, hoy izy. Nisy moa ny adihevitra nandinihana ity lohahevitra nosafidiana ity, taorian’ny lanonana ofisialy.

Fahalalahana

Fa ny fitakiana ny fahalalahan’ireo mpanao gazety, eo amin’ny fanatanterahany ny asany moa, no tena antom-pisian’ity andro eran-tany ity. Araka ny nambaran-dRasoloarison Harimbola Monica, filohan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara (OJM), dia zo fototry ny mpanao gazety ny mahazo loharanom-baovao, ka tsy tokony hosakantsakanana izy amin’ny fanatanterahana ny asany. Rehefa malalaka ny mpanao gazety maka vaovao, malalaka amin’ny fikirakirana ny vaovao ary malalaka amin’ny famoaham-baovao, dia afaka mitondra fanovana ho an’ny firenena izy, satria manampy ireo mpitondra Fanjakana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, hoy izy. Io fahalalahana io anefa, araka ny fanamarihany, dia tokony hijanona hatrany ao anatin’ny fanajana ny lalàna, sy ny fanajana ny tandro hasina sy malin’asa (éthique et déontologie). Mbola misy anefa ireo ambana izay tsy mety mahatanteraka ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Isan’ny notanisain’ny filohan’ny OJM ny herisetra, izay mianjady amin’ny mpanao gazety, indrindra ny mpanao gazety vehivavy. Eo ihany koa ny sivana, fa indrindra ny fironan’ny tompon’ny orinasan-gazety. Fa tsy tokony hahasakana ny mpanao gazety hamoaka ny vaovao tena misy sy azo amarinina anefa izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo