• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Kidspot
Image
Reny&Zaza

Torohevitra hiarovana ny zaza sy ny ankizy amin’ny hatsiaka

08/05/2024 10:20 © Moov.Mg

Efa hiditra tanteraka anatin’ny vaninandro ririnina isika afaka andro vitsivitsy. Ho avy miaraka amin’ny hatsiaka ireo karazana valan’aretina isan-karazany, toy ny sery sy ny gripa. Ny zaza sy ankizy moa matetika no tena ampijalian’izy ireny. Ireto ary misy torohevitra vitsy hiarovana ny zaza sy ny ankizy amin’ny hatsiaka sy ireo aretina entin’izany.

Atao mafana tsara ny akanjo

Mazava ho azy fa ny fampanaovana akanjo mafana ny zaza sy ny ankizy no fomba voalohany hiarovana azy amin’ny hatsiaka sy ny aretina entin’izany. Tsy misalasala mampanao akanjo maro sosona azy ireny rehefa tena mangatsiaka be ny andro. Mila arovana ihany koa ny sofina sy ny lohan’ny zaza. Ireo tena mbola kely ampanaovina bônetra ary ireo efa somary lehibe ampanaovina « cagoule ». Mila arovana amin’ny hatsiaka ihany koa ny tanana sy ny tongotra, indrindra rehefa mivoaka ny trano.

Osorana « crème » manamandina hoditra

Toy ny masoandro dia mety manimba ny hoditra ihany koa ny antsika. Eo amin’ny zazakely dia mety mahatonga aretina mifandraika amin’ny fahamainan’ny hoditra atao hoe « xérose » izany. Maro ny fomba fisehon’ity farany eo amin’ny hoditry ny zaza, toy ny hoe lasa vakivaky, mivaramena, miofaka, manaintaina… Eo amin’ny takolaka moa matetika no hitrangan’izany noho izy io tsy voafon’ny fitafy. Mba hisorohana izany dia tsara raha osorana « crème hydratante » hatrany ny hoditry ny zaza sy ny ankizy, indrindra ny takolaka sy ny molotra, rehefa mangatsiaka ny andro.

Omena rano matetika

Mora tratry ny tsy fahampiana rano na « déshydratation » ny zaza sy ny ankizy rehefa mangatsiaka ny andro. Mety mahazo ny lehibe ihany koa moa izany. Matetika isika ray aman-dreny mieritreritra fa tsy tsara omena rano ny zaza sy ny ankizy rehefa mangatsiaka be ny andro manjary mipipy foana izy ireny na koa sao lasa mikohoka raha misotro rano mangatsiaka. Raha ny tokony ho izy nefa dia mila omena rano matetika mihintsy izy ireny mba tsy ho tratry ny tsy fahampiana rano. Ezahana kosa araka ny azo atao mba ho rano mafana na matimaty no omena azy ireny.

Ferana ny fitondrana ny zazakely mivoaka ny trano

Mbola tsy afaka mandrindra ny hafanan’ny vatany ny zazakely. Noho izany dia tsy tokony entina mivoaka ny trano izy ireny rehefa mangatsiaka be ny andro sao sanatria tratry ny « hypothermie ». Ankoatra izay moa dia maro ireo otrikaretina entin’ny rivotra eny rehetra eny ka raha azo atao dia mila ferana tanteraka ny fitondrana ny zazakely mivoaka ny trano. Azo entina mivoaka kosa ireo zaza efa lehibebe, eo anelanelan’ny 1 sy 3 taona, fa kosa tsy mijanona maharitra loatra amin’ny hatsiaka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo