• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Ô Magazine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fikarakarana sy fikolokoloana ny volo manify

08/05/2024 08:43 © Moov.Mg

Isan’ny zavatra mampiferotr’aina ny olona maro tokoa ny manana volo manify. Ankoatra ny fahasahiranana amin’ny fibangoana azy ireny dia eo ihany koa ny tahotra ny ho sola raha sanatria ka mihintsana be ilay volo. Ireto ary misy torohevitra natoraly manampy amin’ny fikarakarana sy fikolokoloana ny volo manify.

Ireo antony mahatonga ny volo manify

Rehefa manify ny taom-bolo dia midika izay fa marefo kokoa izy oharina amin’ny karazam-bolo hafa. Marihana moa fa misy karazany maro ny karazan’ny volo na ny « texture » ny volo. Ao ny manify, ny tsotra ary ny matevina. Mizara roa lehibe ireo antony mahatonga ny volo ho manify :
-Ny voalohany dia ara-boajanahary. Izany hoe efa izay mihintsy no karazan’ilay volo.
-Ny antony faharo dia noho ny fihintsanan’ilay volo be loatra ka mampanify azy.

Ireo torohevitra hikarakarana ny volo manify

Noho izy marefo dia mila fitandremana kokoa ny fikarakarana ny volo manify. Mba tsy hampiongotra be sy ahasimba ny volo manify ary dia :
Fadiana arak’izay azo atao ny mamatotra volo satria mety hatonga azy ho lasa tapatapaka sy ho vakivaky ny famatorana azy matetika ;
Arahana otra kely eny amin’ny foto-bolo rehefa manasa loha, izany hoe mandritra ny shampoing. Manampy betsaka ny volo manify mba tsy hipetapetaka sy tsy hifitsaka be loatra ny fanaovana izany ;
Tsara ihany koa raha manao « bain d’huile » hatrany isaky ny alohan’ny hanasa loha. Ny fandomana menaka ny volo dia manome sakafo sy manamafy ity karazam-bolo marefo ity ;
Rehefa manamaina volo ka ampiasa fitaovana toy ny « brushing » na « séchoir » dia rivotra mangatsiaka no ampiasaina. Afaka sady bangoina ihany koa ny volo mandritra ny fanamainana azy mba ampibontsina azy kokoa.

Karazana vokatra natoraly tsara ampiasaina amin’ny volo manify

Mazava ho azy fa efa maro ireo karazana vokatra « produits » hita eny amin’ny mpivarotra eny natao hikarakarana manokana ny volo manify. Azo atao ihany koa nefa ny mampiasa vokatra natoraly nokarakaraina tao an-trano. Tsy lafo vidy ary tsy misy akora simika atahorana hisy fiantraikany ratsy amin’ny volo sy ny hoditra moa izy ireny. Ireto ary misy santionany amin’izany :
Akondro nopotserina atao solona « masque ». Izany hoe lemana aloha ny volo ary ahosotra tsara aminy ny akondro nopotserina. Avela hilona minitra vitsy zay vao sasana tsara amin’ny « shampoing » mahazatra ny volo.
Atody 1, « vinaigre de cidre » 2 sotro fihinanana ary rano avy amin’ny loharano (eau minérale). Kapohana miaraka ao anaty « bol » ireo akora rehetra ireo ary ampiasaina rehefa avy manasa loha. Izany hoe toy ny « après shampoing ». Avela hilona kely 10 minitra dia kobanina tsara.
Potsitra akondro 3, « huile d’amande douce » 1 sotrokely ary ranona karaoty tapa-kaopy. Afangaro miaraka anaty lovia jobo lehibe ireo akora rehetra ireo. Ity vokatra iray ity no ampiasana raha tia manolakolana volo na hoe manao « curly ». Rehefa avy manasa loha, nampiasa « masque » sy « après shampoing » dia ity fangaro ity no ahosotra amin’ny volo. Fonosina servieta mando mandritra ny 30 minitra avy eo kobanina amin’ny rano matimaty. Tsy bangoina intsony ny volo aorian’izay fa manjary rava ireo « boucles ».

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo