• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Mariage.Be
Image
Madagasikara

Ohabolana Malagasy mikasika ny Fanambadiana

07/05/2024 10:51 © Moov

Sarobidy amin'ny Malagasy ny Fanambadiana, ka natao "fady" mihitsy izany misara-bady izany, na dia tamin'ny vanim-potoana nanoloram-bady aza. Tsy azo lavina kosa nefa fa misy ireo fitenenana mamoha ireo tsy rariny ao anaty fanambadiana. Maro tokoa ireo ohabolana tsara fantatra.

"Ny fanambadiana toy ny lamban'akoho ka faty no isarahana"

Ity ohabolana iray ity no tena mamaritra ny fanomezan'ny Malagasy lanja ny fanambadiana. Rehefa manapa-kevitra ny hiroso amin'ny fanambadiana ny olona iray dia tokony tsy mieritreritra ny handao ny vadiny, ambarapahatongan'ny fahafatesana. Manefy loatra ny kolontsaina Malagasy nefa izany ka tsy vitsy ireo lehilahy na vehivavy iharan'ny herisetra ara-batana/ ara-tsaina nefa mbola matahotra ny hisara-panambadiana.

"Vadin-joky kilolohan-jandry"

Ny matetika fandre dia hoe "Vadin-joky kilalaon-jandry", izany hoe azon'ny zandry ampakarina raha sanatria tsy eo intsony ny zoky. Mety misy ifandraisany ihany ny heviny, saingy "Vadin-joky kilolohan-jandry" no tena izy. Midika izany hoe hajain'ny zandry tanteraka ny vadin'ny zokiny, satria mitovy toerana amin'ny zokiny ihany. Amin'ny Ntaolo Malagasy, mampaharitra ny fanambadiana ny fahaizan'ny zandry manaja ny vadin-jokiny.

"Fanambadiam-boalavo ka samy mikepoka izay azony"

Entina ilazana ireo mpivady samy maka ho azy io ohabolana io. Misy tokoa mantsy ny mpivady no miray trano fotsiny fa samy mitantana ny volany, ary samy mitady izay mahasoa azy. Oha-pitenenana entina ananarana nefa izy io. Heverina mantsy fa maharitra kokoa ny fanambadiana raha miara-mitantana sy mifandinika hatrany ny mpivady amin'ny zavatra rehetra. Amafisin'ilay fitenenana hoe "Tsy donak'afo no mhafana ny trano, fa ny mpivady mifanara-draharaha".

"Manalasala tahaka ny manambady vaviantitra : hitositosy toa renibe, avela amin'izao anjara vadin'ny tena, ka ny loa-bary sisa no andrasana"

Io oha-pitenenana dia entina amaritana ny fahasahiranan'ny lehilahy manambady vehivavy be taona noho izy. Matetika mantsy dia ny lehilahy no "tokony" ho zokiny ao an-tokatrano. Ratsy hatrany ny mason'ny fiaraha-monina rehefa misy lehilahy tanora manambady vehivavy efa somary nahazo taona.

"Maimay hivady ka dodona hisaraka"

Entina ananarana ireo tanora maimaika hanambady io ohabolana io. Misy kosa nefa ireo efa tafiditra anaty fanambadiana nefa te handrava izany. Ampahatsiahivina izany ireo te hisaraka hoe nanana antony maro ihany koa nirosoana tamin'ny fanambadiana ka mila mandinika tsara.

"Ny tokantrano tsy ahahaka" / "Mifosa tena toy ny mifosa vady"

Sarobidy ny tokantrano ka tsy tokony idiran'ny hafa, dia ny havana sy ny namana. Raha mitantara olana any ivelany izany dia heverina ho manahaka tokantrano sady mifosa vady. Indrisy nefa fa mbola vitsy ny tokantrano tena mahaleo tena eto Madagasikara satria matetika dia ny Ray aman-dreny na ny havana no tena mibaiko, noho ny antony maro samihafa.

"Fara-vady anadahy"

Tsy sanatria akory mamporisika ny vehivavy hanambady ny anadahiny ity oha-pitenenana ity. Entina ilazana izany fa ny anadahy no azo itokisana indrindra sy azo ifaharana raha sanatria ilaozam-bady. Ny anadahy no lehilahy antenain'ny vehivavy raha tojo fahasahiranana lalina.

"Manambady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony. Manambady ny fohy, mitahiry tapak'akondro. Manambady ny lozabe, mitahiry varatra an-trano"

Tsy mora ny misafidy vady. Misy tsinininy ary tsy tanteraka avokoa ny olona rehetra. Tsy ny bika aman'endrika ihany moa no jerena fa eo ihany koa ny toetra sy ny lentam-pahalalana. Maro tokoa ireo lehilahy voafitaky ny endrika ivelany. Ampian'ilay fitenenana hoe "Manambady ny tsara tsiriritindry zalahy, manambady ny ratsy iomehezandry zalahy".

"Fanambadian-tambohokaraika, ny fitiavana efa tsy misy, fa ny fihavanana sisa"

Entina ilazana ireo mpivady tsy mifankatia intsony, saingy voatery manohy ny fiarahana noho ny ankizy na ny antony hafa. Tsy azo lavina fa marobe no "miara-monina sisa" mba ho fitandrovana ny voninahitra eo anivon'ny fiaraha-monina. Araka ny voalaza etsy ambony, tsy dia mahavantana ny Malagasy loatra ny fangatahana fisaraham-panambadiana na efa tsy mifanaraka aza ny roa tonta.

"Ny fanambadiana hoatry ny varotra, ka raha tsy mifanaraka misaraka ihany"

Na dia sarobidy amin'ny kolontsaina malagasy aza ny fanambadiana, misy ihany ireo tranga tsy azo anoharana. Heverina fa azo atao ny misao-bady raha teny ierana amin'ny roa tonta sy ny ray aman-dreny. Misy ihany koa ilay oha-pitenenana hoe "Ny fanambadiana tsy mba varo-maty fa fehivava : tsy mba lolo ka honina an-kasarotana."

Ohabolana na oha-pitenenana hafa

-"Misao-bady tanora ka manome zara ho an'ny hafa"
-"Ny fanambadiana tahaka ny jiafotsy, vao tsy ialàn-kasokasoka, tonta tsy ialàn-dromoromo"
-"Ny fanambadiana tahaka ny kotrokorana : ny voalohany ihany no mahamanina, fa ny aoriana tselatra sy varatra be ihany"
-"Manambady traky nify, atao aloha mitsiky amin'olona, atao aoriana sao manaikitra ny tena"
-"Miasa jamba rafozana toy ny mpivady vao"
-"Fanambadiana tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana".

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo