• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Nationale

Fahasalamana manakaiky vahoaka : Maimaimpoana ny fizahana ny fo niarahana tamin’ny tafika

08/05/2024 16:43 © Moov

Hetsika efa mahazatra ny avy ao amin’ny tafika ara-miaramila ny manome fitsaboana maimaimpoana ho an’ny mpiara-belona aminy. Tamin’ity indray mitoraka ity dia ny teny amin’ny borborintany faharoa indray no nahazo ny anjarany. Notanterahina tao amin’ny Lisea Masindahy Etienne Ambanidia izany hetsika izany nandritra ny roa andro.

Fizahana fo maimaim-poana

Araka ny fantatra dia lafo dia lafo izany fitsaboana sy fizahana ny aretin’ny fo izany. Nahazo tombony ny avy ao amin’ity boriborintany ity nandritra ity hetsika ity. Nozahana maimaim-poana ireo izay te hahalala ny aretina mety hahazo ny fony nandritra ireo roa andro ireo tamin’ny alalan’ny mpitsabo avy amin’ny tafika miaramila izay notarihin’i Kôlônely Ravaoavy Hariniaina, Komandin'ny BMA na ny “Bataillon Médical Ampahibe. Tsara ny manamarika fa mbola sarotra amin’ny malagasy maro ny manefa izany fitsaboana ny fo izany izay mety hahatratra an-tapitrisany maro. Manomboka eo amin’ny fizahana hatrany amin’ny fitsaboana tanteraka izany rehetra izany. Izany indrindra no maha-zava-dehibe ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana tahaka izao izay tokony karakaraina matetika ho an’ny Malagasy rehetra manerana ny Nosy.

Miaramila mpitsabo miisa 109

Anisan’ny rafitra iray manana mpiasa amin’ny sehatry ny fahasalamana maro ny tafika. Niisa sivy amby zato (109) izy ireo nandritra ity hetsika fizaham-pahasalamana maimaim-poana ity. Hatramin’izay dia mahaangona olona maro hatrany ihany koa ny hetsika. Tamin’ity indray mitoraka ity moa dia efa roa amby sivifolo sy valonjato sy arivo (1892) ireo olona afaka nisitraka ny hetsika. Samy nahazo ny anjarany avokoa, tao anatin’izany ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, ny fitsaboana nify, ny didim-poitra ho an’ny zazalahy kely sy ireo tolotra ara-pahasalamana maro isan-karazany. Ity hetsika ity moa dia hoentin’ny Tafika malagasy manakaiky ny vahoaka hatrany, amin’ny alalan’ny traikefa hananan’izy ireo, hanampiana ny fampivoarana ny maha olona eo amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo