• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fananan-tany : Hanampy amin’ny famahana ireo olana nisy aman-taonany maro ny « Jeritany »

08/05/2024 15:03 © Moov.Mg

Ny olan’ny fananan-tany efa mpitranga tany amin’ny 20 taona mahery lasa, fotoana niforonan’ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananantany (SIF) ihany, no mbola miverimberina ankehitriny, araka ny tsikaritr’ity vovonan’ny fiarahamonim-pirenena ity. Antony iray nametrahana ny tetikasa Jeritany izany.

Mahakasika olona an’hetsiny

Najoro ho rafitra fanaraha-maso momba ny fananan-tany ny Jeritany. Ny tanjona dia ny handraisana anjara amin'ny fametrahana ny fitantanana tsara ny fananan-tany sy ny sehatra mifandraika amin'izany. Araka izany dia ahafahana manangona sy mamakafaka ny vaovao sy ny angon-kevitra momba ny trangana fifandirana isan-karazany ity rafitra ity, mba hanolorana maodely famahana olana iombonana sy azo tratrarina. Hampiasaina ihany koa izy handinihana ny fampifandraisana ny fomba fahazoana tany, ny fiarovana ny zo ho an’ny fananan-tany ary ny fandaminana ny fampiasana ny tany. Tao anatin’ny enim-bolana dia toerana 30 isa no notsidihin’ny SIF, tafiditra tao anatin’ny tetikasa Jeritany. Tao anatin’izany dia fianakavina manodidina ny 2.000, izany hoe : olona an’hetsiny no voakitika ao anatin’ny olan’ny fananan-tany, araka ny fanazavan-dRakotomalala, filohan’ny SIF.

Olana karazany 3 lehibe

Azo sokajiana ho 3 ireo olana lehiben’ny fananan-tany eto Madagasikara, izay olana efa nisy tany amin’ny 20 taona lasa, saingy mbola misy foana ankehitriny. Eo ny fifanolanana eo amin’ireo mpampiasa vola sy ny mponina, manaraka izany ny zo fisitrahana ny tany, ary ireo tany mbola misoratra amin’ny voanjo. Raha velabelarina bebe kokoa ireo olana ireo dia miseho amin’ny endriky ny olana ateraky ny fanoratan-jo ho an’ny fananan-tany, ny fangatahana « titre » na bokin-tany, ny olana ateraky ny saran-tany lany andro, ny olana eo amin’ny fibodoan-tany ataon’ireo orinasa na mpampiasa vola vaventy, ary ny fanesorana ny olona mampiasa ny tany, raha misy ilàn’ny Fanjakana izany. Manoloana ireo karazana olana miverimberina ireo dia nilaza ny SIF fa tsy andraikitry ny Sampandraharahan'ny fananantany irery ihany izany, fa mahakasika sehatra maro. Ao anatin’ny fametrahana ity tetikasa Jeritany ity, dia omena andraikitra ireo Fokonolona amin’ny fitaterana haingana ny olan’ny fananan-tany atrehin’izy ireo. Io rafitra io ihany koa no ahafahana manana tahirin-kevitra mivaingana, azo ifampidinihana miaraka amin’ny Governemanta, ny sehatra tsy miankina ary ny fiarahamonim-pirenena, mba hijerena ireo vahaolona sy mba hisian’ny fanjakana tsara tantana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo